Top 10 similar words or synonyms for ramaintsoakanjo

drabiby    0.898415

tonanahary    0.887074

lahimatoa    0.885924

raibeny    0.885195

randapavola    0.883728

andrianjafy    0.877872

tandrefana    0.871963

rafohy    0.870307

resy    0.869015

rakitroka    0.868990

Top 30 analogous words or synonyms for ramaintsoakanjo

Article Example
Ramaintsoakanjo Ramaintsoakanjo, niaina tamin'ny taonjato faha- 15 aorian'ny JK° dia voalazan'ny lovantsofina fa vazimba. Zanakandriana ny firazanany noho izy zanakavavin'ny mpanjaka Andriandrambondanintra ( izay zanak'Andriatomarafefy ary ito moa dia zanak'Andriatomaramanana izay zanak'Andriatomara, fianakavian'Andriana nanjaka tamin'ny faritr'Anjozorobe tamin'ny taonjato faha-14 sy faha-15). Tamin'ny taonjato faha-15 dia nisy andriandahy arabo atao hoe Habib izay nogasiana hoe Rabiby tafakatra taty anivon'ny riaka ka nanjaka fohy tao Ambohitsitakatra Anjozorobe ary nifindra monina sy nanjaka teo Ambohidrabiby. Nalain-dRabiby ho vady i Ramaintsoakanjo ka niterahany roa dia i Rabefaravolamanjaka sy Randapavola atao koa hoe Ramaintsoanala. Misy koa lovantsofina milaza fa mbola niteraka maro ankoatr'izy roa vavy ireo i Rabiby sy Ramaintsoakanjomilaza,isan'izany ny mpanjaka Andriamamilazabe; i Imady izay nifindra monina tany amin'ny faritra ambositra ka avy aminy no niavian'ny fitenana hoe " imerin'Imady" ary ny farany dia andriambavy iray hafa izay lasa vadin'ny mpanjaka Andriambahoaka tany Imamo. Niara-nonina tamin'i Rabiby vadiny teo Ambohidrabiby i Ramaintsoakanjo ka mbola ao ny fasany mandrak'ankehitriny.Fa isan'ny manana ny maha-izy azy manokana amin'ny finonana nentin-drazana aty imerina koa i Ramaintsoakanjo satria ny anarany dia saika antsoin'ny ntaolo raha mivavaka amin'Andriamanitra sy ny razana na any antampon'Ankaratra, na any Angavo na any Andringitra na any lohavohitra ary amin'ireo tendrombohitra 12 sy vohitra manankasina rehetra eto Imerina mandrak'ankehitrio.
Ambohidrabiby Tsongaina manokana amin'ireo ireto olomalaza teo Ambohidrabiby nanomboka tamin'ny taonjato faha-16 ka hatramin'ny taona 1895: Rabiby, Ralambo, Ramaintsoakanjo, Randapavola, Rabefaravolamanjaka, ireo Andriandoriamanjaka, Ravoromanga, Andrianavalomanotronimerina, Rasendrasoa, Andriamiharantsoa, Rainitavimaserana, Raberanto, Lehilava, Rabemaso, Rainimazaoro Razakanavalona, ary Randriambola.
Vazimba Nisy tamin'ireo vazimba no tonga vadin'ireo arabo sy maley vao tonga ka lasa loharano nipoiran'ireo andriana merina sy betsileo. Taty Imerina, ny mpanjaka Ralambo teo Ambohidrabiby ohatra dia tarana-bazimba izy avy amin'ny rainy izay tera-dRafohy vazimba sy avy amin'ny reniny izay zanak'i Ramaintsoakanjo vazimba.Arak'izany, ny andriana merina dia saika tarana-bazimba.
Rabiby Anjozorobe moa tamin'izany dia efa nisy fanjakana vazimba maro izay taranaky ny Mpanjaka Andriantomara, ny Mpanjaka Andriatomaramanana, ny Mpanjaka Andriantomarafefy, taranak'Andriamoraony sy Andrianerinerina, andriana jiosy niditra tany amin' ny faritra atsinanan' i Madagasikara, efa taloha be an' i J.K (jereo ny bokin' ny Pastora Ramilison Emmanuel). Nanoa mora foana an'i Habib ireo mpanjaka vazimba taranak'Andriatomara ireo ka nanaiky an'i Habib ho mpanjaka ary Habib dia naka vady an'i Ramaintsoakanjo izay zanaka vavin'ny mpanjakaben'ny vazimba tao Anjozorobe.
Vazimba Araka ny voalazan'ny lovantsofina dia saika amin'ny faritra afovoan'ny nosy no nielipatrana ireo maley sy indoneziana ireo. Tamin'ny taonjato faha-16 dia mbola saika ireo vazimba no nonina taty Ankova sy Betsileo. Nifanambady tamin'ireo taranaka maley vaovao vao tonga taty anivon'ny riaka tamin'ny taonjato faha- 16 ny sasany tamin'ireo vazimba,koa izany no ilazan'ny lovantsofina fa i Andriamanelo dia maley anefa ny renibeny dia vazimba. Toy izany koa i Rabiby izay voalaza fa arabo anefa ny vadiny, Ramaintsoakanjo, dia vazimba.