Top 10 similar words or synonyms for ralambo

mpanjaka    0.936705

rabiby    0.934790

andrianjaka    0.914827

nanjaka    0.900101

zanak    0.899572

dralambo    0.899105

imerina    0.895860

terak    0.880511

andriana    0.876578

fanjakany    0.873767

Top 30 analogous words or synonyms for ralambo

Article Example
Ralambo 1) NY NAHATERAHANY
Ralambo Ary farany, ny Mpanjaka Ralambo no nanao ny antanatohatr'Andriana voalohany ka izao no nandaharany izany izay misy efatra: araka ny lehibe indrindra mankamin'ny kely indrindra:
Ralambo Isan'ny mpanjaka nalaza tokoa i Ralambo ka maro ireo toerana nitondra ny anarany. Soritana amin'izany i Ampahidralambo, tanàna aroa andafy avaratra antsinanan'Ambohidrabiby izay natao hametrahana ny omby volavitan'ny mpanjaka Ralambo. Toy izany koa Ambatondralambo izay toerana ao ambany andrefan'Ambohidrabiby misy vato fitsanganan'ny Ralambo rehefa mikabary amin'ny vahoaka izy. Toy izany koa ny toerana atao hoe Lohalambo izay toerana fitodihan'ny loha na ny avaratry ny lohan'ny mpanjaka raha mandry ao andapany i Ralambo. Ary maro ireo taranany no nitondra ny anarana hoe Ralambo indrindra fa ireo manankanja dia natao hoe Andriandambo. Fa natahoran'ny fanjakana nanodidina azy koa ny mpanjaka Ralambo ka na dia ny vahoakan-dRalambo aza dia nantsoin'ireo fanjakana manodidina ireo tamin'ny anarana hoe "Amboalambo". Ary farany, maro tamin'ireo taranaky Ralambo no nitondra ny anarany.
Ralambo Tsy ny mpanjaka Andrianampoinimerina akory fa ny mpanjaka Ralambo no nahitana ny fanambadian'ny mpanjaka vady maro mba hitazomana ny fanjakana. Isan'ireo vadin'ny mpanjaka Ralambo i Rabehavina - renin'Andriantompokoindrindra sady vadiben'ny mpanjaka Ralambo-, izany fanambadiana izany dia mba hitazomana ny fihavanana eo amin'ny f fianakavian'ny raibeny avy amin'ny reniny; i Ratsitohinamanjaka izay renin'i Mpanjaka Andrianjaka, ity fanambadiana ity kosa dia hitazomana ny tenin-dRafohy fa ny alakamisy an'Andriamanelo ary ny zoma an'Andriamananitany; ireo renin'ny Zanadralambo amin'Andrianjaka ao Lazaina, Antsomangy, Manandriana ary Ambatofotsy - ireto fanambadiana tamin'ny andriambavy maro ireto kosa dia natao hitazomana ny fihavanana tamin'ireo andriana maro nanaiky an'i Ralambo; Ary i Ravoromanga renin'ny Zanadravoromanga, ity fanambadiana ity kosa dia natao hitazomana ny fihavanana teo amin'i Ralambo sy ny mpanjaka vazimba nanjaka teo Ankotrokotroka sy Analamanga satria taranak'ireo mpanjaka vazimba ireo i Ravoromanga. Araka ny lovantsofina dia Ravoromanga no tian-dRalambo indrindra amin'ireo vadiny koa avy amin'izany ny fitenin'ny mpifankatia manao hoe "voromanganao anie aho". Ratsitohinamanjaka sy ny renin'Andriampolofantsy ihany anefa no manana fasana eo akaikin'ny fasan'i mpanjaka Ralambo ao Ambohidrabiby. Araka izany dia maro ireo taranaky ny mpanjaka Ralambo ary taranaky ny mpanjaka Ralambo eo Ambohidrabiby rehefa mpanjaka nanjaka taty Imerina nanomboka tamin'Andrianjaka ka hatramin'i Ranavalona III.
Ralambo Tamin'ny faran'ny fanjakany dia efa nitatra lehibe tokoa ny fanjakany ka ny miantsinana dia tonga hatrany antsinanan'Ambohimalaza, ny atsimo dia hatrany ankaratra, ny andrefana dia hatrany ambadik'ambohimanga ary ny avaratra dia tsy voafaritra mazava.
Ralambo Teraka tamin'ny taonjato faha-16 i Ralambo. Randapavola zanaka vavin'ny Mpanjaka Rabiby teo Ambohidrabiby no reniny ary Andriamanelo mpanjakan'Alasora no rainy. Tao Ambohibaoladina atsimo antsinanan'Ambohimalazabe no nahaterahany tamin'ny andro vava alahamady amin'ny volana alahamady. Efa nitoe-jaza in-enina ny reniny saigy tsisy azo avokoa ireo zaza ireo. Talohan'ny nahaterahan-dRalambo, raha nihetri-jaza ny reniny dia nanao toerana hiterahany teo avaratry 'Ambohimahatsinjo ireo mpitaiza ny reniny sy mpanaraka azy ary tamin'izany, nisy lambo efa lehibe nandalo ka nirohitra nanaradia sy nihaza izany lambo izany ireo miaramila maro ka tamin'izany indrindra no nahita masoandro izy ka natao hoe Ralambo no anarany. Teo Ambohimalazabe no nampitoerindrainy i Ralambo fony fahatanorany satria Ambohimalazabe dia vohitra any amin'ny lafiny avaratra raha mitaha amin'Alasora, satria amin'ny avaratra na amin'ny andrefana no fametrahana ny andriana natao hanjaka araka ny fomba fanajana azy fahizay.
Ralambo 2) NY NAHAZOANY NY FANJAKANA
Ralambo Ny teraky Rabefaravolamanjaka rahavavindreniny dia notazomin'ny Mpanjaka Ralambo teo Ambohidrabiby ihany ka mbola misy eo Ambohidrabiby sy Fonohasina ireo taranany. Nataon'ny Mpanjaka Ralambo ho Andriandoriamanjaka ny firazanan'ireo teraky Rabefaravolamanjaka tamin'ny rahavavindreniny ireo satria ireo hono ny "kibo tsy omby niraisana" ary nataony ho mpanenona ny jakin'ny mpanjaka mifandimby ary lehiben'ny mpanolontsainan'ny Ralambo. Andriandambotanimanjaka moa dia nafenina eo anilan'ny Mpanjaka Rabiby mivady eo Ambohidrabiby. Ary Ralambo mivady kosa dia nafenina eo amin'ny fasana ampita atsimon'ny fasan-dRabiby mivady sy Andriandambotanimanjaka araka ny hafatry ny Mpanjaka Rabiby. Nataon'ny mpanjaka Ralambo ho lehiben'ny mpanolotsainy koa ireo Andriandoriamanjaka zanadrahavavin-dreniny ireo ary tsy namponeniny lavitra azy amin'ny maha-tandapa ireo Andriandoriamanjaka ireo fa napetrany teo avaratry ny lapany teo Ambohidrabiby ihany.
Ralambo Maro ny nanamarika ny fanjakan'i Ralambo fa ny soritana indrindra amin'izany dia ny anarana hoe " imerina ambaniandro", ny anarana "omby", ny fankalazana ny alahamadibe sy ny fandroana, ny jakimena ary ny antanatohatr'andriana.
Ralambo Faharoa, ny omby koa dia "jamoka" no anarany fahizay ary tsy mbola nisy homana azy tamin'i Ralambo. Nisy afotroa na dorotanety lehibe anefa ka nisy jamoka matin'ny taviny ka nasaindRalambo nandraman'ireo angaralahiny mpanompony ka nahita ireo fa tsara tsy mahafaty izy io. Vokatr'izany, nanandrana koa i Ralambo ka hitany fa ny trafony sy ny vodihena no matsiro indrindra ka natokany io mba hoazy raha mamono jamoka. Nisy karazan'omby araka ny volony mba tian'i Ralambo loatra dia omby mena volo misy fotsy amin'ny andriny sy trafony sy tongony ary rambony ka nataon-dRalambo ho "volavita" no anaran'izany ka azy ny volavita rehetra amin'ny fanjakany, ary teo Ampahidralambo amin'ny faritra avaratra antsinanan'Ambohidrabiby no namahanany izany. Indray andro, nisy fety lehibe tao androva ka nasainy nampakarina teo Ambohidrabiby ny volavita vondraka iray avy eny Ampahidralambo. Saika tsy tafiditra tamin'ny vavahady vato eo avaratra antsinanan'ny vohitra ambohidrabiby ilay jamoka ka betsaka ny nanontany hoe omby sa tsy omby io jamoka io? Kinanjo omby ilay vavahady ilay jamoka ka novain-dRalambo ho "omby" ny fiantsoana ny jamoka nanomboka teo.