Top 10 similar words or synonyms for rainiharo

novainy    0.896384

noheveriny    0.888221

andrian    0.886339

enterprise    0.884413

mangarahara    0.883486

fanamarinana    0.882405

parachutes    0.881231

manary    0.879766

naitatra    0.879316

manangana    0.877804

Top 30 analogous words or synonyms for rainiharo

Article Example
Rainilaiarivony I Rainilaiarivony dia teraka ny 30 Janoary 1828 tao Ilafy. Ny rainy, Rainiharo dia mpitondra tafika i Raboomiarana izay vadin'i Rainiharo no niteraka an'i Rainilaiarivony. Dimy taona taorian'izany dia lasa antao ho praiminisitra i Rainiharo, toerana izay azy nanomboka tamin'ny 1833 hatramin'ny taona 1852. Nandritry ny fotoana naha-praiminisitra azy dia voafidy ho vadim-panjaka i Rainiharo, fa notazoniny ho vadiny i Rabodomiarana araka ny fomba an-toerana izay manaiky fananam-bady maro. I Andriantsilavo izay raiben'i Rainilaiarivony dia mpanorohevitry ny mpanjaka Andrianampoinimerina. Avy amin'ny fianankaviamben'i Andaviafaratra i Rainilaiarivony sy ny havany, miaraka amin'ny fianankaviamben'ny Andriefandrovan'i Ambohimanga, izay anisan'ny fianankaviana hova tena natanjaka indrindra tao Imerina tamin'ny taonjato faha-19. Izay andraikitra ambony tsy nomena an'ny Andriana dia lasan'ny hova avy amin'ireo fianankaviambe roa ireo.
Rainilaiarivony Taona maro talohan'ny nahafatesan'ny praiminisitra taloha Rainiharo dia nitondra tafika mba hifehezan'Imerina ny tany any atsimon'ny Nosy. Nahatonga ny fifanaraham-pitsaharan'ady tamin'ny foko Bara any atsimo ny fanafihana. Nomena fizakan-tena izy ireo mba ho foko anelanelan'ny Sakalava any andrefana ary ny Tanala, Antemoro, Antefasy ary foko hafa any atsimo atsinanana. Nikomy tamin'ny Merina ireo foko tatsimo-atsinanana rehefa nahalala momba ny fahafatesan'i Rainiharo. Nandefa an'i Rainivoninahitriniony sy ny tafiny i Ranavalona mba hampitsahatra izany fikomiana izany ary koa mba hanavotra ireo Merina voafahirano tao atsimo.
Rainilaiarivony Ny fahafatesan'ny praiminisitra Rainiharo tamin'ny volana Febroary 1852 dia namela ny mpanjakavavy tsy hanam-bady, tsy manam-panorohevitra ary tsy manam-pitondra tafika. Araka izany dia nahazo ny Voninahitra Faharoambifolo avy amin'ny mpanjakavavy i Rainilaiarivony ho fiomanana amin'ny andraikiny ara-politka ary ara-tafika. Tsy aorian'izany, dia naneho ny fitiavany tamin'i Rainilaiarivony ny mpanjakavavy. Nandà ilay tovolahy noho ny elanelam-taona, efapolo taona antitra noho izy ny mpanjakavavy, ary noho ny tsifahamendrehana mety ho vokatry ny fiarahana amin'ny mpitia an'ny rainy taloha. Nitana ny fihetseham-po ho azy mandritra ny androm-piainany i Ranavalona, fa tsy naneho lolom-po noho ny fandavany ny hamaly azy ireo, ka naka an'i Rainijohary – izay manam-pahefana ambony iray hafa – ho vady. Tao anatin'ny herintaona, nomena ny dia nomena an'i Rainilaiarivony izay 24 taona tamin'izany fotoana izany ny andraikitra ny hitondra tafika, ary nanasandratra azy ho sekreteram-panjakana, mpiambona ny tombon-kasem-panjakana, ary mpanara-mason'ny Mpitam-bolam-panjakana.