Top 10 similar words or synonyms for rabiby

ralambo    0.934790

mpanjaka    0.897501

imerina    0.893064

andrianjaka    0.891968

nanjaka    0.885671

drabiby    0.879563

zanak    0.878458

andriamanelo    0.877552

zanaka    0.876827

mpanjakan    0.873862

Top 30 analogous words or synonyms for rabiby

Article Example
Rabiby Ny zafin'ny Mpanjaka Rabiby moa no nokasainy hampanjakaina, ka dia nataony hoe " Manjakazafy" ny anaran'ny lapany teo Ambohidrabiby ary dia i Ralambo zafikeliny no nanjaka nandimby azy teo. Rehefa niamboho i Rabiby dia nafenina teo andrefan'ny lapany " Manjakazafy" ao antampon'Ambohidrabiby. Hatrizay mandrak'ankehitriny, amin'ireo mponina sy foko maro monina eo Ambohidrabiby sy ny manodidina, dia ny Andriandoriamanjaka sy ny teraky Rasendrasoa tamin'Andrianampoinimerina ary ny Zanadralambo no taranak'i Rabiby. Ny Zanadravoromanga kosa izay taranaky ny Mpanjaka Ralambo zafikelin'ny Mpanjaka Rabiby kosa dia nandao tanteraka an'Ambohidrabiby tamin'ny nanjakan'Andrianjaka ka tsy misy ao intsony ankehitrio.
Rabiby Nihanitombo laza i Habib ka nogasian'ny olona ny anarany ary angamba noho ny toetrany masiaka ka nataon'izy ireo hoe " Rabiby". Ary novain-dRabiby hoe "Ambohidrabiby"ny anaran'Ankotrokotroka ary teo no nataony renivohitry ny fanjakany ka nasiany rova sy lapa nonenany sy ny ankohonany.
Rabiby Ankoatr'izany, nanakoako erantany erandanitra ny lazan-dRabiby ka tonga hatrany Itasy ary dia nifametrampihavanana koa Rabiby mpanjakan'Ambohidrabiby sy Andriambahoaka afovoanintany mpanjakan'Itasy izay nanana ny renivohitry ny fanjakany tao Manazary Itasy ary dia nisy fianakaviana sy teraky Rabiby nakany Manazaray Itasy ary nisy fianakavian'Andriambahoaka afovoantany sy taranany nakanty Ambohidrabiby tao Antsomangy.
Rabiby Tao Anjozorobe ihany no nanjaka i Habib ka "Ambohitsitakatra" no anaran'ny vohitra nisy ny rovany ary ny lapany nataony hoe "Fonohasina". Tsy naharitra ela tao Anjozorobe anefa i Habib fa mbola maro ireo fanjakana vazimba tsy nanoa azy ary be jirika ny faritr'Anjozorobe koa nilaozany io faritra io ary nianatsimo hatrany izy ka tsy nijanona raha tsy tao Ankotrokotroka izay vohitra lehibe indrindra tamin'ny vohitry ny vazimba taty amin'ny faritra atsimon'Anjozorobe.
Rabiby Nanampy laza ny tanjaky Rabiby koa ny maha mpanandro tsy nanampaharoa azy tamin'ny vanimpotoana niainany ka voatazon’ny ohabolana hoe « Aza milaza mahita volana alohan’i Rabiby ». Novain-dRabiby ho teny semitika ny anaram-bolana 12 sy ny anaran'andro 7 taty anivon'ny riaka raha tamin'ny teny vazimba sy maley izany. Ka ny ALAHAMADY no nataony volana voalohany amin'ny taona sy renimbitana ary nataony amin'ny zoro avaratra antsinanana izany vintana izany.
Rabiby Talohan'ny nanafihany io vohitr'Ankotrokotroka io dia nanao fangatahana na joro teo ambany avaratra antsinanan'Ankotrokotroka ny mpanjaka Habib ka raikitra mandrak'Ankehitriny ho Fonohasina no anaran'io toerana io araka ny niantsoan'i mpanjaka Ralambo izany tato aoriana ho fahatsiarovana io joro nataon'i Habib raibeny io. Koa nafenin'i Habib teo amin'io toerana io ny lefompohy volamena miisa valo voasikotra teny semitika masina sy vato mazava, ka nirariany fa hiely amin'ny lafivalontany ny fanjakany sy hahitsy ela fanjaka.
Rabiby Rehefa izany dia nohaniany Ankotrokotroka ka nitsoaka nianatsimo nankeroa Analamanga ny vazimba nonina teo.
Rabiby Nisy fotoana narary mafy i Rabiby, ka ny zanak'i Rabefaravolamanjaka tamin'Andrianamboninolona no tena nikarakara azy, mihoatra noho ireo zanany naterany. Noraisin-dRabiby ho toy ny zanany mihintsy ny tera-dRabefaravolamanjaka, ka rehefa tratra antitra i Rabiby dia ireo taranak'i Rabefaravolamanjaka, atao hoe Andriandoriamanjaka, ireo no nokasainy hampanjakainy. Tsy nanaiky anefa ireo zanak'i Rabefaravolamanjaka ireo koa ny zanak'i Randapavola, atao hoe Ralambo, no nampanjakainy.
Rabiby Hatramin'ny taonjato faha-16 taorian' i J.K, dia maro ireo zanak'Andriana sy fianakavian'ny Mpanjaka amin'ny faritry arabia no niala tany Arabia noho ny ady antrano teo amin'ireo zanak'andriana mpandova fanjakana, ka nidina nanaraka ny sisiny antsinanan'ny Afrika ary nizarazara namorona fanjakan'andriana tamin'izany faritra izany . Isan'ireny ireny ny zanak'Andriana na printsy Habib sy ireo mpanjaka arabo tao Zanzibar sy Comoro ary ireo razan'Andriana namorona fanjakana tao avaratra andrefan'i Madagasikara sy tamin'ny faritra antsinanan'i Madagasikara rehetra. Arak'izany, fianakavian'i zanak'Andriana Habib avokoa ireo mpanjaka avy any Arabia namorona fanjakan'andriana taty Afrika antsinanana.Fotsy fihodirana i Habib toy ireo mpanjaka tao Comores sy Zanzibar izay fianakaviany.
Rabiby Nanana sambo manokana azy sy nitondra azy ny zanak'Andriana Habib sy ny fianakaviany ary ireo mpanotrona azy sy ireo angaralahiny, ny angaralahy dia olo-mainty mpanompo novidiany tao Afrika antsinana. Tody tao Vohemar ny printsy Habib sy ny mpanotron azy ary nohon'ny finoany dia resy lahatra izy fa tokony hiditra antanety ary tsy hijanona amorontsiraka fa hiakatra any anivontany satria any ny toerana efa foin'Andriamanitra hanjakany. Tsy mba nijanona ela tao amorontsiraka arak'izany i Habib fa avy hatrany dia niakatra taty afovoantany ka tonga tao Anjozorobe.