Top 10 similar words or synonyms for merina

imerina    0.906921

zanak    0.904815

nitondra    0.902297

mpanjakan    0.892473

kristiana    0.881161

fanjakan    0.878346

nanana    0.874414

saika    0.874197

mpianatra    0.871952

taty    0.871800

Top 30 analogous words or synonyms for merina

Article Example
Merina Ny teny malagasy ofisialy dia voafaritra ho tafiditra ao anatin'ny fiteny Malayo-Polynesziana. Izany hoe manana fototra avy any amin'ny teny Malay vondrona "austronesien". Ny teny izay ampiasaina ao Malaysie, Indonezia, Filipina dia teny Malay koa izay mitovy endrika amin'ny teny gasy. Izany ary dia voaporofo tokoa satria misy teny mitovy amin'ny teny malagasy sy teny indoneziana, filipiana, ary Malaiziana. Ohatra amin' izany ny teny malagasy hoe "mora" izay hita koa ao amin`ny teny indoneziana "murah" izay mitovy dika hoe tsy lafo. Ohatra azo raisina koa ny teny hoe "laoka", izany hoe laoka amin'ny teny gasy ary "lauk" amin'ny teny Malaiziana. Izany fotovian'ny teny izany dia tena tsapa tokoa na eo amin'ny feo na eo amin' ny fomba fanoratana.
Merina Ny merina dia foko izay miavy avy any asia atsimo atsinanana. Izany hoe raha faritana mazava dia avy any Indonezia. Tamin'ny taon-jato faha valo ka hatramin'ny taon-jato faha-dimy ambin'ny folo tany dia voalazan`ny tantara fa nisy tatsam-bo izay avy any Indonezia tonga nanori-ponenana tao Madagasikara.
Merina Ka ny vaha-olana dia ny hoe tiavo ny anao fa rehareha lehibe tokoa izany maha-merina, tandrovy tsy ho ringana ny taranany ary ny maha-tokana azy. Marina ihany koa izany eo amin'ny foko hafa, ka tsy fanambaniana ny an'ny hafa akory no tanjona eo amin'ny filolohavana ny an'ny tena, fa fanajana ny maha an'ny tena azy fotsiny ihany. Tsy misy tokoa mantsy ny ambony , tsy misy ihany koa ny ambany, fa ny fifahasamihafana dia harena ihany koa ka tokony hotandrovana.
Merina Ny merina moa dia foko izay miray sosona amin'ny foko Malay ("malais"). Ny tiana ambara amin'izany foko Malay izany dia ny hoe fitoviam-pokon'ireny merina amin'ny mponina ao Malaysie, Indonezia, Filipina, Polynezia, ary ny faritra atsimon'i Tailanda. Ny endrika hananan'ny Merina koa dia manamarina izany fiaviany avy any Asia izany. Eo koa anefa ireo fomba amam-panao izay tena hitovizan'ny Merina amin'ireo razam-beny avy any Indonezia; ohatra amin'izany ny "Famadihana" izay fomban'ireo Indoneziana avy any amin'ny faritr'i Sulawesi ao Indonezia. Ary ny fisian'ny vary eto Madagasikara dia anisan'ny porifo lehibe tokoa fa manana razam-be aziatika ny Merina, satria ny vary dia foto-tsakafon'ny Indoneziana ary koa ny Merina ao Madagasikara.
Merina Amin'izao fotoana izao dia anisany zavatra mampihoroho tokoa ny faharingan'ny foko Merina, izany hoe lany tamingany ny foko. Izany zava-misy izany moa dia manana antony samihafa eo aloha ny tsy fahafantaran'ny olona fa ilaina izany fitahirizana ny fokony izany sy ny kolon-tsaina hanan'ny foko tsirairay. Ny foko izay misy ny tena dia mety ho lasa kara-panondron'ny tena satria zavatra manavaka ny tena amin'ny hafa. Ary ny olana hafa dia ny fahaverezan'ny rehareha amin'io foko, ka lasa manary ny fokon'ny tena dia mankany amin'ny foko hafa na amin'ny fanambadiana na ny kolon-tsaina.