Top 10 similar words or synonyms for mangamanga

bissau    0.964844

northern    0.963617

fédéral    0.958455

hippocrate    0.956459

maps    0.956181

mariana    0.955913

vali    0.955626

carlton    0.953791

prasad    0.952213

drummer    0.951042

Top 30 analogous words or synonyms for mangamanga

Article Example
Andriana Azo itarafana io endrika maranidranitr'orona amin'ny andriana io ireo sarin'ny tena atin'andriana toa an'Andrianampoinimerina,Radama I, Radama II, Ranavalona I, II, III ary Rasoherina. Misy anefa andriana no mety ho ngita volo mihintsy sy mangamanga saingy maranitr'orona foana izy ireny.Ireny andriana mangamanga sy ngita volo ireny hono no taranaky ny mpanjaka tamin'ny andriana tanindrana na tamin'ny mpanompony ary "ngita volo avo razana no fiantso azy ireny".
Hova Noho io fifanambadiana teo amin'ny hova sy ny fisian'ny hovavao ary ireo efa taranaka hova dia maro ny razan'ny hova ka niteraka tsy fisiana endrika manokana teo amin'ny hova izany.Io fifangaroana be io ary dia niteraka ho karazan'olona vaventy mety ho lehibe ary saika tsy dia maranitr'orona ny hova. Ny hova koa dia mety ho fotsy malama volo, mainty ngita volo, zarazara, mangamanga, sns...saingy tesatesak'endry hatrany izy.
Vazimba - Olona toa amintsika ihany ny vazimba satria isika malagasy dia tarana-bazimba avokoa afatsy ireo taranak'ireo andevo avy any afrika tamin'ny andron'dranavalona I.Misy lava tokoa ny vazimba satria i Rapeto izay nilalao volana dia voalaza fa vazimba ka ny dia-tongony dia mbola lehibe tokoa araka ny hita amin'ny vatolampy ao Ambohidrapeto. Misy fohy koa ny vazimba dia toa an'i Rafohy renin'Andriamanelo izany fa ny anarany aza dia rafohy satria tra-trantitra izy fa tsy sanatria fohy kely akory. Fa maro amin'ireo vazimba kosa no atoniny tsy lava tsy fohy ny halavany. Manaporofo izany, ny fikarohana arkeolojika tamin'ny fasambazimba maro dia mampiseho fa ireo taolambalon'ny vazimba rehetra voakaroka dia mampiseho fa olona mirefy manodidina ny 1m 65 ireo vazimba ary raha lava dia 1m80.Ny vazimba koa dia tsy olona mainty fihodirana, satria tamin'ny andron-dRabiby sy Ralambo dia " angaralahy" no fiantso ny olo-mainty fa tsy mba vazimba akory. Manamporofo indray fa ny vazimba dia maley sy indoneziana izay fotsy fihodirana na mavo na somary mangamanga fa tsy mainty akory.
Andrianampoinimerina Momba ny fihodirany dia tsisy sary ahafahana mamantatra izany. “Ilahifotsy” anefa no niantsoan’Andriambelomasina raibeny azy. Midika izany fa fotsy fihodirana na mazava hoditra Andrianampoinimerina. Mbola ny hafan-draibeny manao hoe “Ilahifotsy avy amin’alahamaditany no tompon’ny farany” no nentiny nandresy lahatra ny vahoakan’Ambohimanga raha naka ny fanjakana tao Ambohimanga Andrianampoinimerina satria mantsy mitovy volonkoditra sy fiaviana amin’ny voalazan’Andriambelomasina izy (fa raha tsy fotsy izy no tsy avy amin’ny alahamaditany dia ho mpisandoka fotsiny ihany). Manarak’izany, Radama I zanaka naterak’Andrianampoinimerina dia olona fotsy fihodirana na mazava fihodirana, malama volo, maranitrorona fa tsy mangamanga sy ngita volo, no tsy manana endrika “afrikana”. Inoana arak’izany fa tsy mifanalavitra loatra amin’ny endriky Radama I Andrianampoinimerina rainy. Ary farany, nisy sary vita hosodoko momba an’Andrianampoinimerina, sary izay mampiseho fa olona fotsy na mazava fihodirana, maranitrorona ary lavalava endrika izy. Misy moa ny milaza fa tsy tena endrik’Andrianampoinimerina no hita amin’ilay hosidoko. Ny tsy azo lavina anefa dia hatramin’ny nahavitan’izany sary hosodoko izany dia maro ireo taranak’Andrianampoinimerina no nitazona dika mitovy amin’izany, eny hatrany anaty rovan’Antananarivo sy Ambohimanga ary amin’ny rova maro amin’ny vohitra 12. Midika izany fa saika noeken’ny maro ho manakaiky tanteraka ny endrik’Andrianampoinimerina iny sary hosodoko mahakasika azy iny.