Top 10 similar words or synonyms for hasin

tato    0.866246

nonina    0.861534

imerina    0.858479

ralambo    0.857376

taty    0.854790

sisa    0.852948

fanjakany    0.851019

album    0.850147

landy    0.849785

aoriana    0.848803

Top 30 analogous words or synonyms for hasin

Article Example
Fanjakan'i Madagasikara 2) Ny HASINA : Izay hery tsy hita maso avy amin’ i Zanahary, ary omeny ny olom-pirenena tsirairay avy, ary mbola avo sy sarobidy noho ny zon’olombelona, ka tokony hajaina hatrany. Ny Hasin’ ny Tanindrazana satria Masina ny Tanindrazana, ka tokony hajain’ ny rehetra, ary tsy azo alain’ ny vahiny na omena na hatakalo na hamidy amin’ izy ireo. Ny Hasin’ ny Tenindrazana, izay tenim-pirenena tranainy indrindra eran-tany, avo lenta, ka tokony andrianina hatrany eto amin’ ny firenena. Ary indrindra ny Hasin’ ny Zava-boary noforonin’i Zanahary eto Madagasikara. Zava-boary izay anisan’ ny tranainy indrindra eran-tany, koa mila arovana haingana sy tanteraka mba tsy ho lany tamingana. Aoka izay tena ilaina ho an’ ny olompirenana ihany no ampiasaina amin’ ny fomba tsy manimba ny tontolo iainana. Ary adidy masina ny fandraisan’ anjara ny olom-pirenena rehetra amin’ ny famerenana an’ i Madagasikara, Ilay Tany Fototra, ho feno ala maitso.
FANJAKAN’ I MADAGASIKARA 2) NY HASINA: Izay hery tsy hita maso avy amin’ i Zanahary, ary omeny ny olom-pirenena tsirairay avy, ary mbola avo sy sarobidy noho ny zon’olombelona, ka tokony hajaina hatrany. Ny Hasin’ ny Tanindrazana satria Masina ny Tanindrazana, ka tokony hajain’ ny rehetra, ary tsy azo alain’ ny vahiny na omena na hatakalo na hamidy amin’ izy ireo. Ny Hasin’ ny Tenindrazana, izay tenim-pirenena tranainy indrindra eran-tany, avo lenta, ka tokony andrianina hatrany eto amin’ ny firenena. Ary indrindra ny Hasin’ ny Zava-boary noforonin’i Zanahary eto Madagasikara. Zava-boary izay anisan’ ny tranainy indrindra eran-tany, koa mila arovana haingana sy tanteraka mba tsy ho lany tamingana. Aoka izay tena ilaina ho an’ ny olompirenana ihany no ampiasaina amin’ ny fomba tsy manimba ny tontolo iainana. Ary adidy masina ny fandraisan’ anjara ny olom-pirenena rehetra amin’ ny famerenana an’ i Madagasikara, Ilay Tany Fototra, ho feno ala maitso.
Tantaran'ny Alemaina Tamin'ny fiforonan'azy, voatoan'ny fahakelezan'ny trano fianarana eo ambon'io ny mpitondra afaka manampetrakan'ny filaminana, sy ny fahakelezan'ny vola mihiditra, satria ny mpitondra tsy manana an'ilay tany ny Empira Jermanika mba andohan'ny pôlitika-ny. Ny fifidianan'ny mpitondra ataon'ny Printsy mpifidy manakely ny hasin-ny. Makany Roma ilay mpitondra mba anometrahan'ny papa fehibory izy.
Rova Manjakamiadana Ny malaza indrindra amin'ireo lapa na tranon'andriana tranainy tao Analamasina dia i Mahitsielafanjaka izay najoron'Andrianampoinimerina sahabo tamin'ny taona 1796 eo ho eo. Hatramin'ny andron-dRanavalona faharoa dia tao no nitahirizana an'i Manjakatsiroa izay sampim-mpanjakana nitokisan' Andrianampoinimerina fatratra, ary hatramin'izao dia mbola hita eo anolohan'ny trano ny tsangambaton'Ikodoka, mpiady maheri-fon' Andrianampoinimerina, natao hiaro ny sampy. Ny trano hafa najoron'Andrianampoinimerina dia i Besakana, eo avaratr'i Manampisoa. Io Besakana io anefa dia nanolo trano iray hafa, efa nampitondraina indrindra koa ny anarana hoe Besakana, najoron'Andrianjaka, ary araka ny lovan-tsofina dia tao no nanaovana ny soron'i Trimofoloalina mba hamerenana ny hasin' Andriamasinavalona rehefa afaka soamantsara tamin'ny fitazoman-janany an-keriny azy tany Ambohitratrimo ny mpanjaka.
Velirano Alaina ny tsindridritra, sy ny tainaomby very reny, sy ny hazo mihena, sy ambiaty sokoka, ka ny ambiaty hiany no atao hazo mihena dia atao maromaro, ny laingon’ambiaty hotanany lohandohany amy ny olona hivelirano, dia alaina koa ny valala miolan- katoka, sy ny lambamboka sy ny mondron-kifafa, sy ny fako am-bavahady, sy ny akofam-bary, Ary reha vory izany zavatra izany, dia entina atao aminy rano ritra raha lohataona, aminy tany fivelezan-drano, dia miangona ny olona rehetra hivelirano, ka ny lohandohany rehetra aminy olona hivelirano, Mitana ilay laingon’ambiaty atao hoe hazo mihena, ary ny maro dia mifampitan-tsoroka, dia miteny ny Irak’Andriana manao hoe, Indreo hianareo mbieto andranomalahelo, fa homeko ny velirano. fa izany no nentina namory sy manangona, ary nentina nampandry ny tany, sy ny fanjakana handriany vady, handriany zanaka hoy ny Manjaka, ho entina manompo sy manamasina ahy, Ka izao hianareo izao, fa ato ny ranoritra, ato ny tsindridritra, ato ny tainaomby verireny, ato ny ambiaty sokoka, ato ny hazomihena ato ny valala miolan-katoka, sy ny lambam-boka sy ny mondron-kifafa sy ny fako ambavahady sy ny akofam-bary, ka tsy atao tsy mahefa ny taminy Andriamanjaka tao aloha, tsy atao tsy mahavita izay, fa mahefa izay sy mahahavita fa atao fanampiny, entina manamafy izay. Koa izao hianareo izao, ka hanana Andrian-droa, hanana Andrian-telo dia tononina ny anaran’Andriana, fa tsy Ranona no ho tompoina, sy ho hasinina, sy handrianina, mandrakizay, mandrakizay, mandrakizay doria, mandrakizay alaovalo, mandrakizay antaranoana, dia reseny ity velirano masina ity hianareo. Eny hoy ny olona rehetra. Indrindra izao hianareo izao, ka hisaraka Andriana amin’Ambohimanga sy Antananarivo, mandrakizay, mandrakizay, mandrakizay doria, mandrakizay alao­valo, mandrakizay antaranoa. Raha hanao izany hianareo dia reseny ity velirano masina ity. Eny hoy ny olona rehetra. Indrindra izao hianareo, ka tsy ny terad’Rasoherina, sy Ralesoka no han­drianina, sy ho tompoina sy ho hasinina mandrakizay mandrakizay, mandrakizay doria, mandrakizay alaovalo, mandrakizay antaranoa, Raha hanao izany hianareo, Dia reseny ity velirano masina ity hianareo. Eny hoy ny olona rehetra. Izao hianareo izao, sangy manan-tsakaiza tiana, manana olon-tiana, ka hanao ampifam-katiavana, hanao ampihiavanana, indrindra ka ho azon-tambim-bola, amankarena, na homen’olona vola be aza, na ho tambazan’olona fananana be aza, na hataony ampatsifatsy aza, na hataony ambalamena aza, na homeny antsa aza, na homeny antsiva aza, na hataony tsy mandeha rà aza, na dia hataony An­driana aza, fa tsy Ranona noho tompoina, dia tononiny anaran’Andriana, ka tsy izy no handrianina, sy hohasinina, fa hanao Andrian-kafa hianareo, mandrakizay, mandrakizay, Raha hanao izany hianareo Dia reseny ity velirano masîna ity hianareo. Eny hoy ny olona rehetra. Izao hianareo izao koa, ka avy ny tsy mety atao amy ny Manjaka, sy ny tsy mety atao amy ny fanjakany, ka sangy tezeran’Andriana, na holanim-bady aza, na holanin-janaka aza, na ho lanim-pananana aza, na dia ho tapahin-doha aza, ka ny sisa tsy maty, ka hanao lolompo amin’Andriana, ka hanao levenanovy, hanao voami- vonto hanao farimitetireny, hanao kabary ambony vavadahy, fa tsy izay hahamasina ny Andriamanjaka nohatao, tsy izay hanompoana azy no atao, fa hitady izay tsy haha­masina azy sanatria ny vava ka hitady izay tsy hanjakany, Raha hanao izany hianareo, Dia reseny ity velirano masina ity hianareo, Eny hoy ny olona rehetra. Izao hianareo izao, ka sangy kabarin’Andriana, sangy sazen’Andriana, na dia holanim-bady aza, na dia holanin-janaka aza, na ho lanim-pananana aza, nadia ho tapahin-doha aza, ka ny sisa tsy maty, ka handao ny Andriamanjaka, indrindra ka handao an’Ambohimanga sy Antananarivo, handositry ny Andriamanjaka, ka hitana manda mafy hitana tsingy mafy, hitana harambato mafy, hanantena zoma be hanantena ala be, hanantena lakato mafy, ka hanangana Andrian-kafa, hanohitra an’Ambohimanga, sy Antananarivo ka hanondro basy an’Ambohimanga sy Antananarivo, hiady aminy Mrl n’Andriana, ka hanohitry ny Ambaniandro, Raha hanao izany hianareo, dia reseny ity velirano ma­sina ity hianareo. Eny hoy nv olona rehetra. Izao hianareo izao, ka hitady hamono Andriana, ka hanao lefompohy, hanao lefon-dava, hohentina mamono Andriana indrindra ka hitifitra antsaha hiti­fitra antanana, hitifitra andrano, hitifitra alatrano, hitady izay hahafohy fiainana Andriana sanatria ny vava indrindra ka hamosavy Andriana hanao odimahery, hanaody ratsy, ho entina mekendry Andriana, Raha hanao izany hianareo dia reseny ity velirano masina hianareo. Eny hoy ny olona rehetra. Izao hianareo izao koa, ka sangy lehibe sangy mahafehy olona, sangy eken’olon-teny; sangy mahinam baoaka, sangy beampirenena, ka handrendri-baoaka, hanodim-baoaka, hanome fo ny adala, hamoky ny hendry, hanimba tany hanimba fanjakana, handrava ny fanjakan’Andriana, fa tsy izay hamasina ny Andriamanjaka no hatao, fa hanangana Andrian-kafa, fa tsy Ranona no ho tompoina, dia tononina ny anaran’Andriana, tsy izy no ho hasinina mandrakizay, mandrakizay doria, Raha hanao izany hianareo, dia reseny ity velirano masina ity. Eny hoy ny olona rehetra. Izao hianareo izao koa, sangy lehibe, sangy matoky Andriana azony ampo, ka irahiny hanao fanjakana any tany lavitra, ka mahita tany tsara, mahita fonenana tsara, mahita vohitra mafy, mahita olona maro hanompo; ka dia hitoetra, hitady ho Andriamanjaka handao ny Andriamanjaka tompoina, hanondro basy an’Ambohimanga sy Antananarivo, hiady amy ny Mrl n’Andriana, hanohitry ny Ambaniandro Raha hanao izany hianareo dia reseny ity velirano masina ity hianareo. Eny hoy ny olona rehetra. Indrindra izao hianareo izao, ka hitady teny tsy voisa ka hitady teny tsy voatonona, ka hanao hoe izany tsy voisa teo ka hanao hoe izany tsy voatonona teo, kanefa fantatra fa fanota fady ny Manjaka, fantatra fa fanota fady ny fanjakana, fan­tatra fa tsy mety atao amy ny Manjaka, fantatra fa hisaràhana amy n’Ambohimanga sy Antananarivo, fantatra fa haharatsy ny tany sy ny fanjakana fantatra fa haharatsy ny Manjaka Raha hanao izany hianareo dia reseny ity velirano masina ity hianareo. Eny hoy ny olona rehetra. Izao hianareo izao koa, ka hanao manga miolaka, hanao ampanolaka, hanao teny miolaka, hanao hoe, Izahay efa nilefona’omby, izahay efa mively rano, izahay efa misotro vokaka hianareo manao, kanefa fantatra fa haharatsy tany, sy fanjakana, fantatra fa hevi-dratsy amy ny jakan’Andriana hisaraha Andriana amin’Ambohimanga sy Antananarivo, indrindra ka hikiomy indrindra ka hangala, belirano hivelirano takona, hivelirano mangina, in­drindra ka hanao izay tsy hahamasina ny Andriamanjaka, ka hanaratsy tany hanaratsy fanjakana hanimba tany, hanimba fanjakana indrindra ka hanangana Andrian-kafa indrindra ka hikiobaka ny fanjakan’Andriana hampangorohoro ny fanjakana ka ham- pitsangambolo any Merina, Raha hanao izany hianareo na ny manatrikia na ny tsy manatrikia, dia reseny ity velirano masina ity hianareo. Eny hoy ny olona rehetra. Ary izao hianareo rehetra izao, na ny manatrika na ny tsy manatrika, na ny zaza any ambohokaza ka izay mamadika izao teny voisa izao, ka manova izao teny voatonona, ka odimahery nohantenaina, ho entina manova izao teny voisa izao, ody sahato no hantenaina, ody aniana no hantenaina, fanala lefonomby, fanala veli­rano fanala vokaka, nohoentina manova sy mamadikia izao teny izao ka raha hamadika izao teny izao hianareo iantsoan-kasina hanatrikia, sy hanoloana ity velirano masina ity. E Andriamanitra E Andriananahary, E ny hasiny tany ny hasiny lanitra, E ny hasiny Masoandro sy ny volana, E ny hasiny roambinifolo Manjaka, ka ny hasiny tendrombohitra roambinifolo ny hasiny any Ampandrana, ka ny any Alasora, ny any Merimanjaka, ny hasiny any Ambohidrabiby ka ny hasiny ao Antananarivo, ny hasind’Radama Manjaka, ny hasiny any Ambohimanga, fa ao Andriantsimitoviaminandriana, Andriambelomasina, Andrianampoinimerina, namory any Merina ny hasind’Rabodonandrianampoinimerina ny hasiny any Ambohidratrimo, ny any Ilafy, nyany Namehana, ny hasin’ I kelimalaza, Ifantaka, Imanjakatsiroa ny hasiny izao zavatra masina ambony tany ambany lanitra izao, Izay mamadika izao teny izao, Fofosa rita, aza manam-para handimby dia velezina ny ambiaty ny rano, dia poahana, basy iray vava asiana bala eo amy ny rano velezina ka atao hoe, izany mamadika izay teny izay, matesambasy tokana. Vita ny Velirano.