Top 10 similar words or synonyms for firazanany

sony    0.793112

fahazoana    0.789362

irilandy    0.784434

miherina    0.784198

dralambo    0.782847

kilonjy    0.782658

poana    0.776623

voly    0.772138

fampitomboana    0.771742

rindrambaiko    0.769349

Top 30 analogous words or synonyms for firazanany

Article Example
Andrianamboninolona Ny zanaka amamparan’i Andrianamboninolona dia tsy andrianamboninolona avokoa ny firazanany.
Andrianamboninolona Fa ny taranak’i Rambavy ao Masindray, na dia zanaka naterak’i Andrianamboninolona aza i Rambavy, saingy hafa reny hoy ny lovantsofina, dia tsy mba natao ho “ andrianamboninolona” ny firazanany fa nataon-dRalambo ho “ zanadralambo” ny firazanany.
Andrianamboninolona Misy kosa ny terak’i Ralambo izay milaza fa tsy zanadralambo ny firazanany fa “ andrianamboninolona dia ny sasany amin’ny terak’i Manandriana izany.
Andrianamboninolona Ny taranak’i Ralambo sy Ratsitohininamanjaka, na dia zanaka vavin’Andrianamboninolona sy Rasoavimbahoaka Rafotsindrindramanjaka aza i Ratsitohininamanjaka, dia tsy mba natao ho andrianamboninolona ny firazanany fa nataon-dRalambo ho “zanakandriana mahazo manjaka” ny firazanany dia i Andrianjaka sy ny doriany izay tato aoriana nosokajian’Andriamasinavalona ho terak’ifohiloha mizara ho antanan-tohatra zanakandriana, zazamarolahy ary andriamasinavalona.
Andrianamboninolona Ny taranak’ireo zanakalahin’Andrianamboninolona tamin’dRafotsindrindramanjaka Rasoavimbahoaka, dia ny terak’Andriantomponarivo, ny terak’Andriakafazaka ary ny terak’Andriatompoinarivo mitoetra ao Ambohitrandriananahary akaikin’Alasora, Ambohitromby, Kilonjy, Ambonisoa, Fieferana ary ny vohitra miaraka aminy toa an’Ambohitriniandriana, Ambohipiainana, andranomanjaka, viliahazo, , sns dia nataon-dRalambo ho andrianamboninolona ny firazanany. Ary izay andrianamboninolona avy eo ka nafindra monina na nifindra monina dia mbola andrianamboninolona no firazanany.
Andriandoriamanjaka Araka ny lovantsofina voalaza etsy ambony, na dia taranak'Andrianamboninolona aza ny Andriandoriamanjaka dia tsy mba natao ho Andrianamboninolona ny firazanany fa nataon-dRabiby sy Ralambo ho " zanakandriana" sy "mahazo manjaka mandrakizay".
Andrianamboninolona Ny taranak’i Andrianamboninolona sy Rabefaravolamanjaka dia tsy mba natao ho andrianamboninolona ny firazanany fa nataon-dRalambo ho “ zanakandriana mandrakizay mahazo manjaka” afohezina hoe Andriandoriamanjaka. Anefa ireo Andriandoriamanjaka tompon’Ambohibe akaikin'Ambohibeloma ao avaratr'Arivonimamo any Imamo dia mitonona ho andrianamboninolona ihany.
Andrianamboninolona Fa nisy koa teo Alasora (sa Ambohitrandriananahary?) zafin’Andriamananitany, na taranak’Andrianamboninolona avy amin’Andriantomponarivo lahimatoa hoy ny lovantsofina hafa, no tsy nanaiky ny nanaovan-dRalambo azy ho andrianamboninolona ny firazanany fa nanasokajy ny tenany ho “zanakandriana mahazo manjaka” koa ny anaran’izy ireo aza dia nasiany hoe “ manjaka” dia i Andrianonimanjakatany, Ramanjaka sy Ramanalinarivo mianadahy izany . Koa nandao an’Alasora izy ireo tamin’ny nanjakan-dRalambo ary nianatsimo tany Betsileo koa tonga mpanjaka voalohany tao Andratsay. Ary izy ireo dia tsy mitonon-tena ho andrianamboninolona mihintsy mandrak’ankehitriny fa zanakandriana no firazanany hatrizay ka hatramin'ny niakaran'Andrianampoinimerina teo amin'ny fanjakana na dia taranak’Andriamananitany aza izy ireo.
Andrianamboninolona Ny terak’Andriamitondra rahalahin’Andrianamboninolona dia nitonona fa “ Andrianamboninolona” no firazanany anefa ny lovantsofina hafa dia milaza fa na dia noeken’ny mpanjaka nifandimby aza ny maha-taranak’Andriamananitany ny terak’Andriamitondra dia tsy nomena ny firazanana “ andrianamboninolona” izy ireo saingy natao ho manantantara koa izy ireo ihany no mahazo mikasika ny taolambalo anaty trano masina aty Imerina nanomboka tamin’Andrianampoinimerina.
Andriatompokoindrindra Faharoa,ny Andriatompokoindrindra koa dia anarana iantsoana ny iray amin'ireo anaram-pirazanan'andriana merina. Ireo taranak'i Andriatompokoindrindra tokoa mantsy dia nosokajian'i Ralambo ho " Andriatompokoindrindra" ny firazanany. Ary amin'Andriatompokoindrindra vavy no hakana ny vadiben'ny mpanjaka nanomboka tamin'Andrianjaka. Ny taranak'Andrianjaka dia tsy mahazo manjaka raha tsy avy amin' izay vadibe avy amin'ny foko Andriantompokoindrindra.