Top 10 similar words or synonyms for fasan

fasana    0.880830

lapa    0.852386

andriandranando    0.839260

taranany    0.825292

vohitra    0.818045

fonohasina    0.815293

asany    0.815154

sisa    0.811124

ambohibe    0.804832

ambohimalazabe    0.799810

Top 30 analogous words or synonyms for fasan

Article Example
Piquecos I Elisabeth Castagne-Fasan no ben'ny tanàna mandritry ny taona 2001–2008. Ilay kaominina dia kaominina mpikambana amin'ny fivondronan-kaominin'i Sud Quercy de Lafrançaise
Ambohidrabiby Nanafatra kosa anefa i Ralambo fa rehefa miamboho izy dia eo atsimon'ny fasana nanafenana andRabiby sy Ramaintsoakanjo ary Andriandambotanimanjaka no hanorenana ny fasany sy ny an'ireo vadiny. Izany fandaminana izany dia maneho, araka ny fomba merina, fa i Rabiby sy ireo doriany dia nataon-dRalambo ho ambony firazanany noho i Ralambo sy ireo taranany. Ny antony angamba dia nohon'ny hasin'i Rabiby raibeny sy nohon'ny fifanarahana nisy teo amin'i Rabiby sy Andriamanelo momba ny nampanjakana an'dRalambo ary ny amin'ny maha-manaradreny an'i Ralambo teo Ambohidrabiby. Tsy sahy nihoatra an-dRabiby raibeny arak'izany i Ralambo fa nanome hasina azy ho amin'ny avaratra.Nahatakatra ny tantara fonosin'ny filahatry ny fasan-dRabiby sy Ralambo eo Ambohidrabiby i Andrianampoinimerina ka nanafarany fa eo amin'ny avaratry ny fasan-dRabiby no anorenana ny fasan-dRasendrasoa vadiny sy ireo taranany, koa ao no misy ny fasan-dRasendrasoa.
Rasendrasoa Rehefa niamboho i Rasendrasoa dia nafenina ao anaty rovan'Ambohidrabiby ka ny nanafenana azy sy ny taranany dia ny fasana eo avaratry ny fasandRabiby mivady sy Andriandambotanimanjaka. Ary mbola miloloha trano "masina" ny fasan-dRasendrasoa ao.
Vohitr'Andriana Anosiarivo: Ramisamanjakarivo zanak'i Rangorinimerina no nanorina ny tanàna. Saingy matin'ny nendra i Ramisamanjakarivo ka tsy mba milevina ao anatirovan’Anosiarivo fa ery amin’ilay  tanàna kely farany avaratra amin’ny Menakeliny, atao hoe Ambohinomena (nafohezina ho Ambohinome) izay rakotry ny amontana no ilevenany, fa tanànany koa io. Amin'ny fitomiandalan'Anosiarivo, ny fasan-dRalaitsirofo, lehiben’ny Andriambaventy no zanak’Andriantsimandrasa lahimatoan'i Ramisamanjakarivo, no avaratra indrindra amin'ny fitomiandalana.
Ambohidrabiby Koa hatramin'Andrianampoinimerina dia toy izao ny filahatry ny fasana 7 miandalana ao amin'ny rovan'Ambohidrabiby, araka ny filaharany avy avaratra mianatsimo : ny fasan-dRasendrasoa miloloha trano masina (sady misy ireo taranany) no avaratra indrindra, fasana izay tsy azo anafenana vazaha na safiotra satria Andrianampoinimerina dia tsy nanaiky ny hidiran'ny vazaha taty anivontany indrindra tamin'ireo tendrombohitra 12 masina. Eo atsimon'ny tranomasin'i Rasendrasoa ary mitohoka aminy dia misy ny fasan'i Mpanjaka Rabiby. Mitohoka aminy eo atsimony ny fasan-dRamaintsoakanjo. Mitohoka eo atsimony kosa ny fasan'Andriandambotanimanjaka. Eo atsimon'io kosa ny lalankely mivoaka amin'ny vavahady andrefan'ny rova. Eo atsimon'ny lalankely, ny fasan'ny Mpanjaka Ralambo. Mitohoka aminio eo atsimo ny fasan'ny Ratsitohinamanjaka. Ary mitohoka aminio sy amin'ny atsimo indrindra ny fasan'ny zanaka vavin'i Ralambo sy Ratsitohinamanjaka, izay very anarana nefa lazain'ny lovantsofina fa vadin'Andriandambotanimanjaka. Izany fasan'andriana miisa 7 ao Ambohidrabiby izany dia endriky ny fahafenoan'ny hasina sy ny tontolo eo amin'ny vohitr'Ambohidrabiby sy ny fahatanterahana ary ny fitohizan'ny taranaky ny mpanjaka mandrakizay doria.