Top 10 similar words or synonyms for dralambo

ralambo    0.899105

mpanjaka    0.892368

terak    0.882970

anefa    0.875650

imerina    0.874742

kosa    0.874322

moa    0.871018

nisy    0.870108

tonga    0.863747

aoriana    0.860001

Top 30 analogous words or synonyms for dralambo

Article Example
Andrianamboninolona Rehefa lasa vadin-dRalambo i Ratsitohininamanjaka Ratompokoandriambavy zanak’i Andrianamboninolona tamin’dRafotsindrindramanjaka dia nitarin-dRalambo ny zara-tanin’i Andrianamboninolona rafozan-dahiny ka ankoatran’ Ambohitrandriananahary akaikin’Alasora sy Ambohitrombihavana, dia nomen-dRalambo an’Andrianamboninolona rafozany ny tampotanety mitomandavana hatreo Ambohitrombihavana mianavaratra hatrany Kilonjy sy ny manodidina.Arak'izany, teo anelanelan'ny zara-tanin'ny Andriandranando sy ny zara-tanin'ny Andriantompokoindrindra no nisy ny zara-tanin'ny Andrianamboninolona.
Andrianamboninolona Ary farany, ny lehibe indrindra dia tsy amin’ny maha-mpanjaka an-dRalambo rainy akory no nahazoan’i Andrianjaka nanjaka nandimby an-dRalambo fa avy amin’ny Ratsitohininamanjaka reniny. Arak’izany, raha saika mpampita hasina no anjaran’ny vehivavy vadin’ny mpanjaka taty Imerina, i Ratsitohininamanjaka zanaka vavin’Andrianamboninolona kosa dia niavaka satria dia ny fanjakana no nampitainy tamin’Andrianjaka raha nanambady an-dRalambo izy.
Zanadralambo 2) Ireo Zanadralambo tsy mba nateraky Ralambo fa fianakavian-dRalambo no natao ho isan'ny sokajin'ny Zanadralambo dia maro. Voalohany amin'izany ny Andriamaneforalambo izay nomen'ny mpanjaka Ralambo zaratany any avaratra antsinanan'Ambohidrabiby dia ao Ankorombe avaratry Talata volonondry. Araka ny lovantsofina dia taranaky Rabiby raiben-dRalambo ity Andriamaneforalambo ity no fianakavian'ireo Andriandoriamanjaka koa. Vinanton-dRalambo rahateo koa Andriamaneforalambo satria ny vadiny dia zanaka nateraky Ralambo. Izany rehetra izany angamba no isan'ny nanasokajian-dRalambo ny terak'Andriamaneforalambo ho isan'ny Zanadralambo ary izy ihany amin'ny Zanadralambo no mitondra ny anarana "Ralambo". Arak'izany, ny Zanadralambo avy amin'Andriamaneforalambo dia taranaky Ralambo avy amin'ny vadin'Andriamaneforalambo fa tsy avy amin'Andriamaneforalambo razambe akory. Misy lovantsofina milaza fa Rafotsimarovahoaka razan'ny ampahany amin'ny Zanadralambo ao Ambodifahitra dia taranak'Ankorombe no nifindra monina teo. Manaraka izany dia ny tera-dRambavy ao Masindray ambadik'Ambohimanambola. Rambavy moa dia zanak'Andrianamboninolona tamin'ny vadikeliny, koa tsy nataon-dRalambo ho Andrianamboninolona ny tera-dRambavy fa nataony ho Zanadralambo ny firazanan'ny teradrambavy ao Masindray. Ary farany, ny taranak'Andrianakotrina izay nomen'ny mpanjaka Ralambo zaratany any antsinanan'Ambohidrabiby dia ao Ambohimahatsinjo ao andrefan'Ambohimalaza. Andrianakotrina moa araka ny lovantsofina dia andriana tompon'ny faritra akaikin' i Manandriana-Avaradrano sy Namehana iny tamin'ny andron-dRalambo. Fianakavian-dRalambo rahateo moa Andrianakotrina no nanoa azy, ary izy ihany koa no nitondra ny vary taty anivontany ka nosokajian-dRalambo ho isan'ny Zanadralambo izy .
Andrianakotrina Andrianakotrina sy ny taranany tany amboalohany no tompon'ny vohitr'Ambatofotsy sy Manandriana eo atsimon'Ambohidrabiby raha mbola tsy nanjaka akory i Ralambo.Nanoa an-dRalambo anefa ny taranak'Andrianakotrina. Tian-dRalambo honina amin'ny faritra atsimon'Ambohidrabiby iny anefa ireo zanany roalahy koa nanao fifanarahana izy sy ireo Andrianakotrina fa homen-dRalambo an'ny terak'Andrianakotrina ny vohitr'Ambohimahatsinjo ho takalon'ny vohitr'Ambatofotsy sy Manandriana. Ary noho izany fifanarahana izany sy nohon'ny maha-fianakaviany rahateo an'Andrianakotrina dia nataon'ny mpanjaka Ralambo ho isan'ny zanadRalambo ny terak'Andrianakotrina raha nanao ny tetiharana izy.
Fonohasina Tsy mba nisy fantsakana teo Fonohasina fahizay fa ny rano nampiasain'ny Andriandoriamanjaka amin'ny fiainany andavanandro teo Fonohasina dia amin'ny fatsakan-dRalambo no tsakain'ireo mpanompo. Io fatsakana io moa dia eo ambany avaratra antsinanana amin'ny vohitr'Ambohidrabiby izany hoe eroa atsimon'ny Fonohasina, amin'ny toerana atao hoe Andohamandry Ankasina. Ny rano mikoriana avy amin'io fatsakana io no manondraka ny tanimbarin'Andriandoriamanjaka manodidina an'i Fonohasina sy mikoriana toa renirano manodidina ny sisin'ny hadivorin'ny Fonohasina. Noho ireo Andriandoriamanjaka nataon-dRalambo ho zanakandriana no hananan'izy ireo zo hiray fatsakana amin'dRalambo sy ny taranany ka tsy misy mahazo mampiasa ny rano amin'io fatsakan-dRalambo io afa-tsy ny Andriamanjaka sy ny ankohonany teo Ambohidrabiby ary ireo Andriandoriamanjaka teo Ambohidrabiby sy Fonohasina.