Top 10 similar words or synonyms for atsimombohitra

atsimondrova    0.860223

andrefandrova    0.841194

teti    0.811096

honenan    0.810394

masikoro    0.804491

usenet    0.801016

mifaninana    0.798990

mihaza    0.797993

miraika    0.796806

pisainana    0.793533

Top 30 analogous words or synonyms for atsimombohitra

Article Example
Andriatompokoindrindra Niteraka telo lahy Andriatompokoindrindra, ka ny zanany lahimatoa atao hoe Ratompoinandriana sy ny zanany faharoa Andriandambo ary ny taranany dia napetrany eo avarabohitra, fa ny zanany faralahy Andriamahatsiravina sy ny taranany kosa dia namponeniny eo atsimombohitra.
Vohitr'Andriana Ny faritra ivelan'ny hadivory amin'ny vohitr'andriana misy rova dia nozarain’ny Ntaolo ho avarabohitra, atsimombohitra, antsinanambohitra ary andrefambohitra. Ny avarabohitra dia natokana ho zara-tanin’andriana ka raha hanorin-tanàna na trano ivelan’ny hadivory ny andriana dia amin’ny avarabohitra no azony hanorenana. Talohan’i Radama I (1810-1827), ny avarabohitra dia zara-tanin’ny andriana avo razana akaiky indrindra ny andriamanjaka ka tsy misy hova na mpanompo mahazo monina eo. Vokany, ny avarabohitry ny vohitr’andriana iray dia mety ahitana vohitr’andriana iray na roa. Matetika dia tsy asiana monina amin'ny antsinanandrova fa raha misy monina dia ireo hova avo razana no monina eo. Ny atsimombohitra sy andrefambohitra kosa dia natao hoan’ireo hova iva razana sy ny mpanompo.
Vohitr'Andriana Amin’ny Ntaolo, amin’ny vohitr’andriana misy rova, ny avaratra dia tsy ilay avaratra tondroin'ny famantaranavaratra izay tondroin’ny famantaranavaratra akory ary ny andrefana sy atsinanana dia tsy faritana araka ny lalan’ny masoandro (izay miovaova isaiky ny vonin’andro). Ny fitodiky ny lapa na ny tranomasina no mamaritra ny ivo, avaratra, atsimo, atsinanana ary andrefan’ny vohitr’andriana sy ireo vohitra manodidina miray aminy. Ny lapan’andriana sy ireo trano masina dia misy lavany roa mitodika avaratra - atsimo sy sakany roa mitodika antsinanana - andrefana. Ny lavan’ny lapa izay misy ny varavarambe, no rindrin-trano andrefana ary ny tany rehetra manoloana izany no andrefandapa, andrefandrova sy andrefambohitra. Ny lavan’ny lapan’andriana tsy misy varavarambe, no rindrin-trano antsinanana ary ny faritra rehetra manoloana izany no antsinanan’ny lapa, antsinanandrova sy antsinanambohitra. Ny sakan’ny trano akaikin’ny varavarambe no sakany atsimo ka ny tany manoloana izany no atsimon’ny lapa, atsimondrova sy atsimombohitra ary ny sakany lavitra ny varavarambe mifanohitra amin’ny sakany atsimo no sakany avaratra ka ny tany rehetra manoloana izany no avaradapa,avaradrova sy avarabohitra. Ao anaty lapa kosa dia mianavaradoha ary mianatsimo tongotra ny Mpanjaka raha mandry.