Top 10 similar words or synonyms for ankotrokotroka

ramaintsoakanjo    0.865691

andriandroka    0.863554

teroa    0.862146

drabiby    0.847408

andriampirokana    0.845710

notarihin    0.837370

norvezy    0.835665

concert    0.833645

andrianjafy    0.830598

vanona    0.830116

Top 30 analogous words or synonyms for ankotrokotroka

Article Example
Ravoromanga ANDRIANDROKA faharoa, izay teraka tao Ankotrokotroka, niteraka an'ANDRIAMPIROKANA.
Rabiby Rehefa izany dia nohaniany Ankotrokotroka ka nitsoaka nianatsimo nankeroa Analamanga ny vazimba nonina teo.
Ravoromanga Tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-16 dia mpanjakan’ny vohitra vazimba maro taty anivontany ahitana an’Ankotrokotroka sy Analamanga sy Ambohimanga ary Ambohimanarina i Andriandroka II koa Ankotrokotroka no renivohitry ny fanjakany sy nonenany. 
Vazimba - Ny vazimba dia matetika monina amin'ny tamponkavoana ary tsy mba manao hadivory izy fa vato no alahidahiny sy ataony mifanongoa ho fefintanana. Arak'izany, tsy ireo mpanjaka arabo na maley akory no nanana ny kolotsaina mitoetra amin'ny tampon'tendrombohitra fa fahendrena nolovainy tamin'ireo vazimba izany. Manaporofo izany, Ankotrokotroka ( Ambohidrabiby) dia fonenana'Andriampirokana tany amboalohany vao nitoeran-dRabiby ary Analamanga dia toeran'ny vazimba vao nitoeran'Andrianjaka. Arak'izany, ireo razan'ny andriana merina dia saika nanao izay hipetrahana tamin'ireny toerana efa nisy vazimba ireny.
Ambohidrabiby Araka ny lovantsofina dia nisy biby natahoran’ny olona ny vohitra toy ny fananimpitoloha izay nihodidina impito ny vohitra ny halavany sy ny songomby mivady ka nataon’ny olona ho “Ambohitrabiby”. Misy kosa anefa no milaza fa Ankotrokotroka no anaran’ny vohitra tany amboalohany ka Andriandroka, mpanjaka vazimba nalaza tamin’ny filalaovana varatra sy ny vahoakany no nonina teo. Ary misy milaza fa nonina teo ireo vazimba manendy alohan’ny nifindrany monina tany Anosivola.
Rabiby Tao Anjozorobe ihany no nanjaka i Habib ka "Ambohitsitakatra" no anaran'ny vohitra nisy ny rovany ary ny lapany nataony hoe "Fonohasina". Tsy naharitra ela tao Anjozorobe anefa i Habib fa mbola maro ireo fanjakana vazimba tsy nanoa azy ary be jirika ny faritr'Anjozorobe koa nilaozany io faritra io ary nianatsimo hatrany izy ka tsy nijanona raha tsy tao Ankotrokotroka izay vohitra lehibe indrindra tamin'ny vohitry ny vazimba taty amin'ny faritra atsimon'Anjozorobe.
Ravoromanga Niova anarana ho « Ambohidrabiby » i Ankotrokotroka rehefa lasa renivohitry ny fanjakan’i Rabiby izy. Nananjanaka mirahavavy i Rabiby dia i Rabefaravolamanjaka sy Randapavola izay nampanambadiany an'Andrianamboninolona sy Andriamanelo, samy taranaka mpanjaka vazimba teo Alasora. Koa Andriamanelo sy Randapavola zanaka faravavin’i Rabiby no niteraka an’i Ralambo izay lasa mpanjakan’Imerina tato aoriana Ralambo no nampiray ny fanjakan’i fanjakan’i Rabiby sy ny fanjakana vazimba teo Alasora koa Ambohidrabiby no renivohitry ny fanjakany. Mbola nahaleotena kosa ny fanjakan’Andriandroka II teo Analamanga.
Vazimba Araka ny tantara,ireo mpitondra fanjakana maley sy arabo tonga taty anivon'i Madagasikara ( taty Imerina sy Ibetsileo) nanomboka ny taonjato faha-15 no nampiasa voalohany ny teny hoe " vazimba" mba hiantsoany ireo mponina efa tompontany taty anivon'ny riaka tamin'ny fahatongavany teto. Ohatra amin'izany, i Andriamanelo dia voalazan'ny lovantsofina fa maley, anefa i Rangita sy Rafohy izay renibeny dia voalazan'ny lovantsofina fa vazimba. Toy izany koa, i Rabiby arabo raha nandao an'Ambohitsitakatra Anjozorobe, dia tonga teo Ankotrokotroka ( tato aoriana lasa Ambohidrabiby), ka nandroaka ireo mponina teo izay vazimba no nahafantarany azy .
Andriana Raha ny arkeolojian'ny teny no jerena, ny teny hoe « Andriana » dia efa nampiasain'ireo vazimba (anarana iantsoana ireo mponina taty anivontany talohan'ny nanjakan'i Rabiby sy Andriamanelo ny taona 1500 taorian'i J.K.) efa hatry ny ela. Porofon'izany, maro ireo vazimba no ahitana ny teny hoe « andriana » amin'ny anarany toy ny hoe Andriandroka (mpanjaka vazimba teo Ankotrokotroka) sy Andriambodilova (vazimba nonina teo Antananarivo izay razamben'ny Antehiroka). Manarak'izany, ny teny hoe « andriana » dia saika efa nampiasain'ny foko maro eran'ny madagasikara ary efa aman-jatotaona tokoa. Midika izany fa tsy foko tokana na vitsy no nivoy ny foto-mpandaminana " andriana" araka ny filazan'ny olona sasany azy.
Vazimba Fa ity mpanjaka arabo atao hoe Rabiby ity anefa, angamba nohon'ny maha-mpino silamo azy izay tsy tia ny fanaovana ody no tezitra tamin'ireo vazimba sy nandroaka azy ary nanomboka teo dia nataon'ny taran-dRabiby lao-monina ireo vazimba taty imerina ka hany hery nitsoaka niakandrefana.Hoy mantsy ny filazan'ny lovantsofina tamin'izany: " I Rabiby no nandroaka an'Andriampirokana teo Ankotrokotroka, ary andriampirokana nitsoaka tamin'ny zohy atsimo amin'Ankotrokotroka ka namonjy an'Analamanga (atao hoe Antananarivo tamin'Andrianjaka); ary Andrianjaka nandresy sy nandroaka ireo vazimba teo antsinanan'Ambohidrabiby sy teo Ambohimanaga sy teo Analamanga; ary ny vazimba tamin'ireny toerana ireny dia lasa niakandrafana nankeo antehiroka, babay , lohavohitra sy any Imamo eny hatrany amin'ny faritra sakalava.