Top 10 similar words or synonyms for ankorombe

ambohimalaza    0.856092

alasora    0.851178

ambohimanga    0.847746

zaratany    0.844357

nafenina    0.842265

talata    0.829301

alemàna    0.827415

nandalo    0.826505

refôrma    0.824147

imerina    0.812967

Top 30 analogous words or synonyms for ankorombe

Article Example
Andrianamboninolona Nisy taranak’Andriatomponarivo niaraka nonina tamin’Andriatomponarivo teo Ankorombe anefa no efa nanorim-pasana teo Ankorombe koa nisy tamin’izy ireo no niala teo Ankorombe ka lasa nifindra monina nianavaratra koa natao ho Ankorokely no anaran’ny vohitra misy azy any avaratra io ho fahatsiarovany an’Ankorombe.
Ambodifahitra Ny taranaky Rafotsimarovahoaka dia milaza fa Zanadralambo avy any Ankorombe i Rafotsimarovahoaka no nifindra teo Ambodifahitra niaraka tamin'ny mpanaraka azy ary izy no razan'ny Zanadralambo eo Ambodifahitra.
Andrianamboninolona Andriantomponarivo sy ny taranany vitsivitsy anefa tsy nonina ela teo Kilonjy fa nidina tety ambany andrefana teo Ankorombe ka nonina tanteraka teo (anefa izy dia nafenina ao Kilonjy ihany rehefa niamboho). Fa ny zanany roa lahy natao hoe Andrianolonantonandriana sy Andriandranotolo tsy mba nanaraka azy teo Ankorombe fa nijanona nonina teo Kilonjy. Marihina anefa fa tato aoriana, nisy tamin’ny faritra atsimo-andrefana amin’ny vohitra Kilonjy no lasan’ny zanadralambo.
Andrianamboninolona Tamin’Andriambelomasina kosa dia nidina avy eo Kilonjy ireo zanak’amamparan’Andriantomponarivo dia ny terak’Andriantompomanarivo sy ny terak’Andriandranofolo koa nijanona sy nanori-ponenana teo Ankorombe izay novaina anarana tamin’io fidinana io ho Fiaferana.
Ambositra Mampiana-janaka ny mponin'Ambositra. Misy sekoly maro ao Ambositra fa ny tena lehibe dia ny Ny Lycée Saint Louis tantanan-dry Frera des Ecoles Chrétiennes, ny Lycée Saint Joseph de Cluny. Efa misy Oniversite ihany koa ao Ambositra : ny Institut Supérieur Téchnologique Ambositra (+ Aumonérie Catholique Universitaire Ambositra). Eny Ankorombe no anofanana ireo Zandary rehetra miasa eto Madagasikara (EGNA).
Zanadralambo Saika nahitana ny Zanadralambo ny lafivalo teto Imerina. Tamin'ny nanjakan-dRalambo dia teo saika nanodidina ny vohitr'Ambohidrabiby Hasin'Imerina iny no nonina ireo Zanadralambo dia tao Ambohidrabiby, Falimanjaka, Ankorombe, Ambodifahitra, Lazaina, Antsomangy, Manandriana, Ambatofotsy, Ambohidrano Antsinanana,Andranovelona, Ambohimahatsinjo ary amin'ny faritra atsimo ao Kilonjy. Tato aoriana dia niely tsikelikely teo amin'ny fanjakan'Imerina ireny Zanadralambo ireny satria ny Zanadralambo dia tsy mba nahazo nivoaka ny faritry Imerina Enitoko ny Zanadralambo ka avy amin'izany ny fiteny hoe Zanadralambo Enintoko. Amin'ny lafiny atsimo ao Ikilonjy sy amin'ny lafiny atsimo ao amin'ny rovan'Ambohijanaka dia misy Zanadralambo. Eny hatrany amin'ny vakinimananara amin'ny faritr'Anjozorobe dia misy Zanadralambo. Ireo andriana ambony firazanana araka ny vanimpotoana nifandimby ihany no nanana zo hivoaka ny Imerina raha hanitatra fanjakana na hametrampihavanana amin'ny fanjakana manodidina na hanorina fanjakana mihintsy.
Zanadralambo 2) Ireo Zanadralambo tsy mba nateraky Ralambo fa fianakavian-dRalambo no natao ho isan'ny sokajin'ny Zanadralambo dia maro. Voalohany amin'izany ny Andriamaneforalambo izay nomen'ny mpanjaka Ralambo zaratany any avaratra antsinanan'Ambohidrabiby dia ao Ankorombe avaratry Talata volonondry. Araka ny lovantsofina dia taranaky Rabiby raiben-dRalambo ity Andriamaneforalambo ity no fianakavian'ireo Andriandoriamanjaka koa. Vinanton-dRalambo rahateo koa Andriamaneforalambo satria ny vadiny dia zanaka nateraky Ralambo. Izany rehetra izany angamba no isan'ny nanasokajian-dRalambo ny terak'Andriamaneforalambo ho isan'ny Zanadralambo ary izy ihany amin'ny Zanadralambo no mitondra ny anarana "Ralambo". Arak'izany, ny Zanadralambo avy amin'Andriamaneforalambo dia taranaky Ralambo avy amin'ny vadin'Andriamaneforalambo fa tsy avy amin'Andriamaneforalambo razambe akory. Misy lovantsofina milaza fa Rafotsimarovahoaka razan'ny ampahany amin'ny Zanadralambo ao Ambodifahitra dia taranak'Ankorombe no nifindra monina teo. Manaraka izany dia ny tera-dRambavy ao Masindray ambadik'Ambohimanambola. Rambavy moa dia zanak'Andrianamboninolona tamin'ny vadikeliny, koa tsy nataon-dRalambo ho Andrianamboninolona ny tera-dRambavy fa nataony ho Zanadralambo ny firazanan'ny teradrambavy ao Masindray. Ary farany, ny taranak'Andrianakotrina izay nomen'ny mpanjaka Ralambo zaratany any antsinanan'Ambohidrabiby dia ao Ambohimahatsinjo ao andrefan'Ambohimalaza. Andrianakotrina moa araka ny lovantsofina dia andriana tompon'ny faritra akaikin' i Manandriana-Avaradrano sy Namehana iny tamin'ny andron-dRalambo. Fianakavian-dRalambo rahateo moa Andrianakotrina no nanoa azy, ary izy ihany koa no nitondra ny vary taty anivontany ka nosokajian-dRalambo ho isan'ny Zanadralambo izy .
Ambohidrabiby Nasian-dRalambo vavahady roa ny vohitr’Ambohidrabiby ka ny avaratra antsinana no natokany ho azy sy ny ankohonany ary ny fananany. Teo no nampidirina ilay jamoka vondraka volavita ka saika tsy omby ilay vavahady kanjo omby ihany ka novaina ho omby ny anarany. Ny vavahady atsimo andrefana kosa dia nataony hoan’ny vahoaka. Any ivelankady kosa ny fatsakana efatra dia ireto avy izany: ao andohasaha ao ambany avaratra antsinanan'Ambohidrabiby ao Ankasina Andohalambono no fakana ny rano hampiasain'ny mpanjaka sy ny fianakaviany amin'ny fiainany andavanandro (nahandro sy hisasana) sy hanahazana ny lamba landy fitafin'ny Ralambo sy ny ankohonany. Amin'ny tehezana amin'ny lafiny andrefan'Ambohidrabiby ao Andohalo no hakana ny rano hidiovana amin’ny vitandratsy sy hisasan'ny vahoaka. Amin'ny anelakelabohitra ao atsimon'Ambohidrabidrabiby kosa no tsakaina ny rano hampisain'ny vahoaka amin'ny andavanandro toy ny nanhandro sy hisasasna. Ao avaratr’Ambohitrakely eroa ambany avaratr'Ambohidrabiby kosa ny fatsakana farany atao hoe Andoharanonandriana ka nisy voarabe naniry teo. Misy zohy maro koa amin'ny atsimo sy antsinananA anaty hadin'Ambohidrabiby izay mivoaka mianatsimo any Ambodifahitra. Ankoatr'izany, teo Andohalo misy fatsakana fidiovana eo anekelabohitra amin'ny lafiny atsimo andrefan'Ambohidrabiby no toerana fikabarian'i Mpanjaka Ralambo amin'ny vahoakany. Ireo zanaka naterak’i Ralambo kosa anefa dia nonina teo ambohidrabiby ihany raha mbola kely saingy rehefa lehibebe dia nomeny zaratany honenana amin'ny vohitra manodidina toa an’Ambohimalaza (Andriantompokoindrindra), Ambohimanga (Andrianjaka), Lazaina, Ambohimanarivo akaikin'ny Talata volonondry (teo Andriampolofantsy tany amboalohany vao nifindra tao Antsomangy), Manandriana, Masindray, Falimanjaka, Ankorombe akaikin'ny Talata volonondry (Andriamaneforalambo), Ambohitrolomahitsy (Zanadravoromanga), sns. Rehefa nilamina tanteraka ny fanjakan-dRalambo vao nidina nanori-tanàna manodidina an'Ambohidrabiby ny sasany tamin'ny mponin'Ambohidrabiby ka tamin'izany no niorina ny tanàna manodidina an'Ambohidrabiby dia Ambohitrakely ao avaratra; Ampahidralambo sy Fonohasina ao avaratra-antsinanana; Ambodifahitra ao atsimo; Ambatondralambo ao atsimo-andrefana; Anjanakarivo sy Ambatomahamanina ao antsinanana; ary Ambohijina sy Antokomaro ao andrefana.