Top 10 similar words or synonyms for ampita

eroa    0.867590

ambohimalazabe    0.827806

dakota    0.811061

ilafy    0.807740

kiprosy    0.807212

moron    0.795162

nonina    0.793978

lanka    0.793896

atsimony    0.793722

norvezy    0.791585

Top 30 analogous words or synonyms for ampita

Article Example
Andrianakotrina Andrianakotrina no razamben'ireo zanadralambo tompon'ny tanan'Ambohimahatsinjo sy Ambohitsimeloka, tanana miorina eo antampontendrombohitra ka Imerikasinina no eroa ampita antsinanany, Ambohimalazabe no eroa ampita avaratra, Ambohipeno no eroa ampita andrefany ary Ambohimanambola no eroa ampita atsimony.
Ambohidrabiby Tanàna miorina eo antampon'ny tendrombohidra ny vohitr'Ambohidrabiby. Ara-panjakana, ao anatin'ny Kaominina Ambohidrabiby, distrika Avaradrano, faritra Analamanga ary faritanin'Antananarivo. Tao anatin'ny Kaominina Talata Volonondry izy talohan'ny volana aprily 2015. Ireo tendrombohitra manodidina azy dia Ambohimanga no eroa ampita andrefany, Ambohitrandriananahary no eroa ampita avaratra antsinanany, Ilafy sy Antananarivo no eroa ampita atsimony. Raha mitaha amin'ireo tendrombohitra 12 masina ao Imerina kosa dia Ambohidrabiby no eo amin'ny zoro avaratra antsinanana. Raha hoany Ambohidrabiby dia eo amin'ny PK 22 Km mahery manaraka ny lalampirenena faha-3 mihazo an'Anjozorobe no misy azy ary eo amin'ny tobin'ny fiaram-pitaterana Ambodivona, fiara mankeny Talata Volonondry no raisina.
Mamoriarivo Mamoriarivo dia tanàna miorina eo ambany avaratry ny tendrombohitra ambohitrandriananahary. Ity tendrombohitra ity moa dia eo ampita avaratra antsinanan'ny vohitra Ambohidrabiby no misy azy. Avy eo Talata volonondry no mivily amin'ny lalana hoany Ifalimanjaka (mbola tsy tonga ao Ifalimanjaka).
Andriandoriamanjaka Ny Andriandoriamanjaka dia iantsoana ireo zanak'i Rabefaravolamanjaka tamin'Andrianamboninolona zanak'Andriamananitany. Misy valo hoy ny lovantsofina no isan'ireo Andriandoriamanjaka zanak'i Rabefaravolamanjaka tamin'Andrianamboninolona saingy ireto anarana efatra ireto no voatazon'ny lovantsofina matetika dia Andriandambotanimanjaka (natao hoe Ratany), Ravolarivomanjaka (na Ravolana), Andriamasoandrobe (na Ramasoandro na Andriambe) ary Andriatsitakatrarivo (na Ratsitakatra). Ao antampon'ilay tendrombohitra avo voahodidina hadivory eroa ampita avaratra antsinanan'Ambohidrabiby, atao hoe "Ambohitrandriananahary", no namponenin-dRabiby i Rabefaravolamanjaka sy ireo zanany ary ao Rabefaravolamanjaka no miafina. Vadiben'Andrianamboninolona i Rabefaravolamanjaka ka matetika Andrianamboninolona no mipetraka maharitra eo amin'i Rabefaravolamanjaka ka nahavery ny anaran'io tendrombohitra io ho "Ambohitrandriananahary", anarana nalain'Andrianamboninolona tamin' "Ambohitrandriananahary", vohitr'Andriamananitany rainy eo ampita avaratr'Alasora.
Vohitr'Andriana Vohitr'Andrianamboninolona: Tamin’ny voalohan’ny taonjato faha -16 aorian’ny JC, Rangita sy Rafohy dia nandidy fa ny alakamisy an’Andriamanelo ary ny zoma an’Andriamananitany. Ho fanamarihan’Andriamananitany fa izy no hanjaka aorian’Andriamanelo rahalahiny dia teo ampita avaratr’Alasora, teo Ambohitrandriananahary no naoriny ny tanànany. Ny lovantsofina ofisialy dia mampiseho fa raha nifindra monina niala an’ambohitrandriananahary ny sasany tamin’Andrianamboninolona dia nianavaratra hatrany dia tao Ambohitrombihavana, Ikilonjy, Fieferana, Ambonisoa.
Vohitr'Andriana Alasora: Renivohim-panjakan’Andriamanelo (taonjato faha-16 ap JC) i Alasora. Teo Ambohitrandriananahary, ampita avaratr’antsinanan'Alasora no nanorimbohitra i Andriamananitany izay natao hanjaka handimby an’Andriamanelo rahalahiny. Teo Ambohibe, toerana avaratr’Alasora no napetrak’Andriamanelo i Andriandranandobe zaodahiny. Ary i Ralambo zanak’Andriamanelo dia nandao an’Alasora koa nianavaratra nankeo Ambohidrabiby. Arak’izany, ny faritra avaratr’Alasora no nitoeran’ireo andriana telo avo razana indrindra tamin’ny fanjakan’Andriamanelo.
Fonohasina Ny tanànan'ny Fonohasina dia ao anatin'ny Fokontany Fonohasina, Kaominina Ambohidrabiby, Distrika Avaradrano, Faritanin'Antananarivo. Misy vakim-paritra 5 ny Fokontany Fonohasina dia: Fonohasina, Ambohitrakely, Ambohidava, Amparafara ary Antanetibe. Eroa ampita avaratr'Ambohidrabiby no misy an'Ambohitrakely izay voadidina hadivory sy volotsangana. Ao amin'ilay lohasaha ambany avaratr'Ambohitrakely no misy an'Andranonandriana izay isan'ny fatsakana ny ranon'ny Mpanjaka sy ny Andriandoriamanjaka teo Ambohidrabiby. Fahizay hono dia samy nanana ny lazany na ny Mpanjaka Ralambo teo Ambohidrabiby na ny zanak'Andriana nonina teo Ambohitrakely, koa izany no naha Ambohitrakely ny toerana satria Ambohidrabiby no vohitra lehibe noho izy itoeran'ny Mpanjaka Ralambo ary Ambohitrakely kosa dia toerana misy zanak'andriana mahazo manjaka dia ny Andriandoriamanjaka. Araka ny lovantsofina, ny anaran-tany hoe Ambohitrakely eo avaratr'Ambohidrabiby no nentin'ny Mpanjaka Andrianjaka niantsoany ilay toerana hoe Ambohitrakely eroa avaratr'Antananarivo, ary amin'io Ambohitrakely ao Antananarivo io no nametrahan'ny Mpanjaka Andriatsitakatrandriana ny zanany tokony hanjaka handimby azy nefa tsy nampanjakainy. Ny hoe Ambohitrakely araka izany dia vohitra ametrahana ny zanak'andriana mahazo manjaka izay miandry teza ho lavo. Toerana mitana ny hasiny mandrak'ankehitrio Ambohitrakely ao Fonohasina. Ambohidava kosa dia tanàna voadidina hadivory eo ampita avaratry Fonohasina. Andriandoriamanjaka avy eo Fonohasina ihany no nifindra monina namorona an'Ambohidava. Amparafara kosa dia tanàna kely eroa ampita avaratra-antsinanan'ny Fonohasina ary Andriandoriamanjaka avy eo Fonohasina ihany no nifindra monina namorona an'Amparafara. Ny hoe "Amparafara" dia avy amin'ny fiantsoan'ny Ntaolo teo Fonohasina ireo taranany dia hoe " zanaka amampara". Ary Antanetibe kosa dia eo eroa ambany avaratr'Ambohidrabiby. Ao Antanetibe no misy ny biraon'ny Fokontany Fonohasina sy ny biraon'ny Kaominina Ambohidrabiby sy ny CSB II Ambohidrabiby sy ny CEG Ambohidrabiby ary ny EPP Ambohidrabiby.
Andriana Manaporofo izany, ireo andriana nahazo nanjaka tamin'ny Mpanjaka Ralambo dia ivelan'ny antanatohatra efatra io, ary izy ireo no nahazo nielipatrana sy nonina tamin'ny faritra andrefan'Ambohidrabiby. Andrianjaka (sy ny vady amanjanany izay handimby azy) ihany no zanaky ny Mpanjaka Ralambo napetrany eny ampita andrefan'Ambohidrabiby dia teny Ambohimanga izany, fa tato aoriana Andrianjaka rehefa nanjaka vao nianatsimo nankeo Analamanga. Ireo Andriandoriamanjaka izay tsy nanaiky fa hitady fanjakana dia miala teo ambohidrabiby ka nianavaratra any Andavakisakay sy niakandrefana any Imamo sy Ivonizongo. Ary farany, Andriamanentoarivo izay mpanolotsain'Andriantompokoindrindra dia niala avy any Ambohimalazabe ka niankandrefana tonga razan'andriamanjaka any Vonizongo. Ireo ohatra 3 ireo dia maneho fa misy ireo karazan'andriana izay tsy voasokajy ao anatin'ny antanantohatra 4 nataondRalambo noho izy ireo natao hanjaka ary ny toerana nametrahan-dRalambo azy ireo dia porofo materialy manamarina izany, ny zo hiakandrefana.
Ralambo Ny teraky Rabefaravolamanjaka rahavavindreniny dia notazomin'ny Mpanjaka Ralambo teo Ambohidrabiby ihany ka mbola misy eo Ambohidrabiby sy Fonohasina ireo taranany. Nataon'ny Mpanjaka Ralambo ho Andriandoriamanjaka ny firazanan'ireo teraky Rabefaravolamanjaka tamin'ny rahavavindreniny ireo satria ireo hono ny "kibo tsy omby niraisana" ary nataony ho mpanenona ny jakin'ny mpanjaka mifandimby ary lehiben'ny mpanolontsainan'ny Ralambo. Andriandambotanimanjaka moa dia nafenina eo anilan'ny Mpanjaka Rabiby mivady eo Ambohidrabiby. Ary Ralambo mivady kosa dia nafenina eo amin'ny fasana ampita atsimon'ny fasan-dRabiby mivady sy Andriandambotanimanjaka araka ny hafatry ny Mpanjaka Rabiby. Nataon'ny mpanjaka Ralambo ho lehiben'ny mpanolotsainy koa ireo Andriandoriamanjaka zanadrahavavin-dreniny ireo ary tsy namponeniny lavitra azy amin'ny maha-tandapa ireo Andriandoriamanjaka ireo fa napetrany teo avaratry ny lapany teo Ambohidrabiby ihany.
Ambodifahitra Lovantsofina telo no mitahiry ny niavian'ny anarana hoe Ambodifahitra. Ny voalohany,toerana roa manodidina an'Ambohidrabiby no nisy fahitra ka teroa ampita avaratra antsinan'Ambohidrabiby, teo Ampahidralambo, no nasiana ny fahitry ny ombin'dRalambo mpanjaka ( 1575-1610). Teo ambany atsimon'Ambohidrabiby kosa no nisy ny fahitra faharoa nanatobiana ireo omby teo amin'ny manodidina rehefa tamy manafika an'Ambohidrabiby ireo sakalava sy sihanaka ary antavaratra.Toerana azo antoka kokoa mantsy ny atsimon'ny hadin'Ambohidrabiby ka teo amin'ny hady atsimo no nisy ilay zohy fitsoahan'ny vazimba Andriandroka sy ny vahoakany raha nanafika i Rabiby ka izany zohy izany dia mivoaka eo Ambodifahitra.Mbola hita ao Ambodifahitra ny fahitra roa fanatobiana omby tamin'izany fotoana izany. Koa avy amin'ny fisian'io fahitra io ny anarantany hoe Ambodifahitra.