Top 10 similar words or synonyms for ambohidrabiby

alasora    0.876674

ambohimanga    0.857420

ambohimalaza    0.845319

dralambo    0.844499

rova    0.837686

zaratany    0.836362

kosa    0.835278

vohitr    0.833903

vohitra    0.830337

mpanjaka    0.830110

Top 30 analogous words or synonyms for ambohidrabiby

Article Example
Ambohidrabiby Mpanandro tsy nanampaharoa ny mpanjaka Rabiby ka voatazon’ny ohabolana hoe « aza milaza mahita volana alohan’i Rabiby ». Novain-dRabiby ho teny arabo ny anaram-bolana 12 sy ny anaran'andro 7 taty anivon'ny riaka raha tamin'ny teny vazimba sy maley izany, ka izy Rabiby no nampiasa ny teny hoe Alahamady, adaoro, alohontsy, admizana, alatsinainy, talata, sns voalohany taty anivon'ny riaka. Ramaitsoakanjo no vadiny izay niterahany an'i Rabefaravolamanjaka vavimatoany sy Randapavola (Imaintsoanala) vaviaivony. Tamin’i Rabiby dia fanjakana vazimba sy maley mitsitokotoko maro ny taty anivon’ny riaka. Andriamanelo, mpanjaka maley teo Alasora tamin’ny taona 1540-1575, no nangataka an-dRabefaravolamanjaka ho vadiny saingy nampanambadian-dRabiby an'Andrianamboninolona ity zanany vavimatoa ity satria ny zanakireo no nokasainy hampanjakaina, ka i Randapavola no nomeny ho vadin-Andriamanelo. Rabefaravolamanjaka sy Andrianamboninolona dia niteraka ireo Andriandoriamanjaka. Randapavola sy Andriamanelo kosa niteraka an-dRalambo tamin’ny andro vava alahamady rehefa tsy nahazo zaza in’enina izy ireo talohan’izany. Rabefaravolamanjaka dia nonina sy nafenina ao antampon'Ambohitrandriananahary, tendrombohitra eroa ampita avaratra antsinanan'Ambohidrabiby satria tsy nety nanaraka an'Andrianamboninolona izy. Natao ho Ambohitrandriananahary no anaranio vohitra io ho fahatsiarovana ny vohitr'Ambohitrandriananahary eo avaratr'Alasora izay vohitr'Andrianamboninolona.
Ambohidrabiby Teo amin’ny lafiny lalaon-tsaina dia voatazon’ny lovantsofina fa teo Ambohidrabiby no nisy nanao fanorona voalohany taty anivon’ny riaka ka i Rabiby sy ny fianakaviany no nanao izany ho fanandroana sy lalao ary fiheverana ny fanjakana. Havanana tamin’izany i Ralambo ka nohantsiany ireo Andriandoriamanjaka mpanolotsainy hitsapany na lalintsaina na tsia. Resy teo anefa i Ralambo ka hoy ny famaliny: “ Ny andriana tsy mba resy” ary tamin’izany no nananarany an’Andriantompokoindrindra izay, mbola zaza tokoa, tsy ho resy ampanorona fa mahavery fanjakana. Noho io anatr’i Ralambo io hono no tsy nampiraika an’Andriantompokoindrindra raha notsapaindrainy izy sy Andrianjaka fa hoy ny famaliny: “ izaho mbola hamono telo noho dimy”.
Ambohidrabiby Tsongaina manokana amin'ireo ireto olomalaza teo Ambohidrabiby nanomboka tamin'ny taonjato faha-16 ka hatramin'ny taona 1895: Rabiby, Ralambo, Ramaintsoakanjo, Randapavola, Rabefaravolamanjaka, ireo Andriandoriamanjaka, Ravoromanga, Andrianavalomanotronimerina, Rasendrasoa, Andriamiharantsoa, Rainitavimaserana, Raberanto, Lehilava, Rabemaso, Rainimazaoro Razakanavalona, ary Randriambola.
Ambohidrabiby Tamin'ny Andrianampoinimerina (1787-1810) dia nametrahany ny vadiny natao hoe Rasendrasoa teo Ambohidrabiby. Ambohidrabiby moa dia menabe fa tsy menakely no tsy vodivona koa tsy tompombodivona no tsy tompomenakely i Rasendrasoa,nefa dia nanana ny lazany koa izy. Raha tsiahivina, rehefa niamboho i Rabodonimerina vadin'ny mpanjaka Andrianampoinimerina dia Rasendrasoa no lasa vadiben' Andrianampoinimerina. Rasendrasoa moa dia zafin'Andriampolofantsy ao Atsomangy. Na dia zanadralambo amin'Andrianjaka aza no firazanan'Andriampolofantsy, nisy tamin'ny terak'Andriampolofantsy kosa no natao ho Andriamasinavalona ny firazanany, isan'ireny ny taranak'Andriamanitrirazaka lahiaivon'Andriampolofantsy nipoiran-dRasendrasoa. Koa Andriamasinavalona fa tsy zanadralambo amin'Andrianjaka akory arak'izany ny firazanan-dRasendrasoa na dia taranak'Andriampolofantsy izy ary avy ao Ambohitsoa no fiaviany. Rapoenty zafin-dRasendrasoa sy Andrianampoinimerina no saika hasandratra ho mpanjakan'i Madagasikara tamin'ny taona 1863. Rabemaso zafin-dRasendrasoa sy Andrianampoinimerina kosa no printsin'Avaradrano sy Marovatana tamin'ny fiafaran'ny fanjakan'andriana teto Madagasikara tamin'ny taona 1895. Mbola ao antampon'Ambohidrabiby mandrak'ankehitrio ny fasana-dRassendrasoa.
Ambohidrabiby Nanafatra kosa anefa i Ralambo fa rehefa miamboho izy dia eo atsimon'ny fasana nanafenana andRabiby sy Ramaintsoakanjo ary Andriandambotanimanjaka no hanorenana ny fasany sy ny an'ireo vadiny. Izany fandaminana izany dia maneho, araka ny fomba merina, fa i Rabiby sy ireo doriany dia nataon-dRalambo ho ambony firazanany noho i Ralambo sy ireo taranany. Ny antony angamba dia nohon'ny hasin'i Rabiby raibeny sy nohon'ny fifanarahana nisy teo amin'i Rabiby sy Andriamanelo momba ny nampanjakana an'dRalambo ary ny amin'ny maha-manaradreny an'i Ralambo teo Ambohidrabiby. Tsy sahy nihoatra an-dRabiby raibeny arak'izany i Ralambo fa nanome hasina azy ho amin'ny avaratra.Nahatakatra ny tantara fonosin'ny filahatry ny fasan-dRabiby sy Ralambo eo Ambohidrabiby i Andrianampoinimerina ka nanafarany fa eo amin'ny avaratry ny fasan-dRabiby no anorenana ny fasan-dRasendrasoa vadiny sy ireo taranany, koa ao no misy ny fasan-dRasendrasoa.
Ambohidrabiby Ambohidrabiby koa no atao hoe " hasin'ny Imerina", satria eo Ambohidrabiby no nafenina mandrakizay doria ny hasin'andriana sy ny hasin'ny fanjakana merina. Voafangotra amin'ny fomba telo fanaon'ny mpanjaka merina izany maha sompitra fanovozan-kasin'ny andriana merina an'Ambohidrabiby izany dia: 1) amin'ny andron'ny fandroan'andriana, raha tsy maty ny omby volavita teo Ambohidrabiby tsy mahazo mamono ny azy Ambohimanga, Analamanga, sy ireo tendrombohitra 12 sy vohitr'andriana sisa. Ny antony dia satria Ambohidrabiby no sompitra mitahiry ny hasin'hasin'andriana merina; 2) eo Ambohidrabiby amin'ny Andriandoriamanjaka no tenomina ny lamba jaky itafiana sy ifonosan'ny mpanjaka rehetra taty Imerina na izy mpanjaka na taiza nanjaka, hatramin'i Ralambo ka hatramin'ny Ranavalona III. Tsy ara-dalàna sy tsy ara-pomba ny fahefan'ny mpanjaka merina izay tsy mitafy na mifono ny jaky notenomin'ireo Andriandoriamanjaka teo Ambohidrabiby. 3) Teo Ambohidrabiby amin'ny Andriandoriamanjaka no alaina ny soherina hilaofan'ny Andriamanjaka merina na taiza toerana nisy ny renivohimpanjakana, antony ara-pahamasinana, arampahadiovana ary ara-pitokisana no nahatonga ny mpanjaka Ralambo sy izay nandimby azy nanao izany.
Ambohidrabiby Ny lazan'dRabiby sy ny vohitr'Ambohidrabiby hono no isan'ny nahatonga an-dRabefaravolamanjaka sy Ralambo (1575-1610) hisafidy hijanona eny Ambohidrabiby.Tsy nijanona tamin’ny rainy teo Alasora mantsy i Ralambo fa nanara-dreny teny Ambohidrabiby izay nofinidiny ho renivohitry ny fanjakany sy hilevenany. Teo Ambohidrabiby i Ralambo sy ireo Andriandoriamanjaka no niara-nitantana ny fanjakana sy namorona ireo soatoavina maro izay lova mipetraka hoan'ny foko sy andriana merina mandrak'ankehitrio toy ny fiantsoana ny tendrombohitra 12 raha hivavaka, ny fandroana, ny teti-razana, ny fihinanana omby, ny fitafiana ny jaky, sns...Tsy nionona tamin’ny fandovana ny fanjakan’dRabiby raibeny sy Andriamanelo rainy teo Alasora mantsy i Ralambo fa nanohitra sy nandresy ireo foko ontaiva, sy antavaratra ary sakalava tonga nanafika taty anivon’ny riaka. Nohodidinin-dRalambo hady telo sosona Ambohidrabiby hiarovany amin’ny fahavalo, koa Ambohidrabiby no vohitra fahatelo taty anivon’ny riaka nahitana hadivory. Nasiany apombo mirehitra ny hadivory ka maro ireo antavaratra sy bezanozano ary sakalava no maty ka tsy sahy intsony nanarina ary nilamina ny tany nanomboka hatreo.. Noreseny koa ireo fanjakana nahaleotena nanodidina azy toa an’Imerikasinina sy Andrianafovaratra mpanjakany ary ireo vazimba teo antsinanan’Ambohidrabiby. Tonga fanjakana lehibe voalohany taty anivon’ny riaka ny fanjakan-dRalambo satria voafaritra amin’izany hatrany ambohimalaza, ka hatrany ambohimanga, ka hatrany Andringitra, Mansindray, sy talata volonondry, ary Alasora ny fanjakany.
Ambohidrabiby Tamin'ny andron'Andriamasinavalona kosa dia nozarainy 4 tamin'ny zanany efa-dahy ny fanjakany koa ny zanany Andrianavalonimerina no nampitoeriny teo Ambohidrabiby. Lasan'ny rahalahiny teroa Ambohimanga anefa ny fanjakan'Andrianavalonimerina koa tsy nahazo nilevona teo Ambohidrabiby i Andrianavalonimerina fa nafenina teo amin'ny rovan'Antananarivo izy. Ny taranak'Andrianavalonimerina koa dia noesorina teo Ambohidrabiby ary tsy nahazo zaratany teo Ambohidrabiby fa nafindran'ny mpanjaka honina ao Andranovelona avaratr'Ambohidrabiby. Koa tsisy taranak'Andrianavalonimerina intsony eo Ambohidrabiby hatramin'izany fa tamin'Andrianampoinimerina vao tafaverina nonina teo Ambohidrabiby i Raketabao zafiafin'Andrianavalonimerina.
Ambohidrabiby Rehefa nilamina ny tany dia nalamin-dRalambo ny vohitr’Ambohidrabiby araka ny vintana sy zon’ny tsirairay ka toy izao izany: Tao antampony sy afovoan'Ambohidrabiby ny rova efajoro voafefy rarivato sy hazo. Vavahady efatra no fidirana ao anaty rova. Amin'ny avaratry ny rova no misy ny vavahady avaratra izay natokana hidirana sy hivoahan'ny mpanjaka sy ny andriana. Amin'ny antsinanan'ny rova ny vavahady antsinana natao hidirana sy hivoahan'ny hova. Amin'ny andrefan'ny rova ny vavahady andrefana natao hampiasain'ny rehetra. Ary eo atsimon'ny rova ny vavahady atsimo natao hidiran'ny mpanompo. Toy izao kosa ny fandaminana ao anaty rova. Eo amin'ny ilany avaratra antsinanana amin'ny toerana avo indrindra ao anaty rova no misy ireo lapa miisa 2 milahatra avaratra sy atsimo dia ny lapa "Fenohasina" an'i Rabiby ary ny lapa " Manjakazafy" ipetrahan'ny mpanjaka sy ireo vadiny. Eo andrefan’ireo lapa ny kianja fikabarian'ny Mpanjaka amin'ny fianakaviany sy ny tandapany sady filanonan'izy ireo toy ny famonoana omby volavita sy fandihizana. Eo andrefan'ny kianja kosa ny fasan'ny mpanjaka Rabiby raibeny sy Ramaintsoakanjo renibeny ary Andriandambotanimanjaka. Toy izao kosa ny fandaminana anaty ny lapa Fenohasina sy Manjakazafy: andrintrano no eo afovoan'ny lapa; amin'ny lafiny avaratra antsinanana mitodika avaratra mianatsimo ny fandrian'ny mpanjaka koa mianavaradoha ny mpanjaka raha mandry ary mianatsimo kosa ny tongony; amin'ny lafiny atsinanana atsimo kosa no misy ireo fitaovana fandrahoantsakafon'ny mpanjaka; amin'ny ilany avaratra andrefana anaty lapa kosa ny antokompatana misy ny akalana sady fisakafoanan'ny mpanjaka sy ny ankohonany ; amin'ny lafiny atsimo anaty lapa kosa no fitoeran'ny akoho amamborona sy ny fitaovampiadiana ary fitaovampiasan'ny mpanjaka. Toy izao kosa ny fizarantany teo Ambohidrabiby sy ny manodidina : Ny avaratry ny lapa, ny avaradrova, ny vakikady avaratra ary ny ivelankady avaratra hatrany ambany avaratr'Ambohidrabiby dia zaratany nomen'ny Mpanjaka Ralambo an'ny Andriandoriamanjaka izay zanak'i Rabefaravolamanjaka tamin'Andrianamboninolona no zafin'ny mpanjaka Rabiby, dia ny zanak'amamparan'Andriandambotanimanjaka 8 mianadahy izany. Ny atsimon’ny lapa sy atsimondrova sy ny ivelankady atsimo ary ny ambany atsimon'Ambohidrabiby dia zaratany nomen'ny mpanjaka Ralambo an'Ambodifahitra. Ny antsinanan’ny lapa sy atsinanandrova sy ny ivelankady antsinana hatrany ambany antsinanan'Ambohidrabiby dia zaratany nomen'ny mpanjaka Ralambo hoan'ny Zanakarivonivahoaka, ny Andriandapamananihasiny ( ao Ikelifaritra sy Ambatomahamanina) ary ny Ambohinanjakana. Ny andrefan'ny lapa sy ny andrefandrova ary ny ivelankady andrefana hatrany ambany andrefan'Ambohidrabiby dia zaratany nomen'ny mpanjaka Ralambo hoan'Antokomaro sy Ambohijina. Anefa ny Zanakarivonivahoaka dia mbola nahazo zaratany ao Andohalo amin'ny ambany atsimo andrefan'Ambohidrabiby. Ravoromanga vadikelin'ny Mpanjaka Ralambo dia nonina niaraka tamin'ny zanany 3 lahy tao androvan'Ambohidrabiby. Tsy nomen'ny mpanjaka Ralambo zaratany teo Ambohidrabiby sy ny manodidina anefa na i Ravoromanga sy ny taranany fa Ambohitrolomahitsy no zaratany nomen'ny mpanjaka Ralambo an'ireo zanany telolahy tamin'ny Ravoromanga mba hiambina ny vavatany any. Satria anefa vady tian'ny mpanjaka Ralambo indrindra i Ravoromanga dia teo ambany antsinanan'Ambohdirabiby ao Anjanakarivo andrefana amin'ny zaratanin'ny Zanakarivonivahoaka no nasian'ny Mpanjaka Ralambo ny fasan'i Ravoromanga. Izany no antony tsy ananan'ny Zanadravoromanga zaratany eo Ambohidrabiby sy ny manodidina.
Ambohidrabiby Ambohidrabiby “ara-tantara” dia tsy misaraka amin’ny tanàna maro izay miorina eo amin’ny tehezany na teny akaikiny teny, isan’izany Ambatomahamanina, Ambatondralambo, Ambodiala, Ambodifahitra, Ambohijina, Ambohitrakely,Ambohitrandriananahary, Ampahidralambo, Anjanakarivo, Antamboho, Antanambao, Antokomaro, Ikelifaritra, Mamoriarivo,Talata volonondry, Fonohasina sy izay tsy volaza.